Full text |
5 Ny vovoka, ahintsano. Akipaho ny nofo,
6 Avereno fa indrana, lamba mora miofo.
7 Inty ny akanjo fotsy. Ary inty ny kapa,
8 Avia, modia, ry oloko, midira aty an-dapa!
9 Ny tany nilasiana: tetezana mpamitaka,
10 Mampita fa mamefika . Loza mampibitaka .
11 Aty no azo antoka, tsy misy rebireby,
12 Avia modia, ry oloko, aza mba someby !
13 Zava-tsoan'ny tany, ankosotra mangirana,
14 Indray mitopy maso mandavo an-kodimirana,
15 Aty no tsy mba miova, aty no volamena,
16 Avia modia, ry oloko, tomoera ka monena!
17 Vokatra ao an-tsompitra, hasasara-maina,
18 Am-baravaram-pasana tsy mahatana ny aina;
19 Aty no fitoazana ..., fararano lava,
20 Avia modia, ry oloko, hijinja ny ambim-bava .
21 Ny zanakao afoizo. Ny vadinao ilaozy;
22 Aty andrasana izy, ny fiainanao havaozy.
23 Avelao ny havana voa lefona maranitra,
24 Avia modia, ry oloko, mila anao ny lanitra !
25 Ialao ny gidragidra , ny loza sy ny ankaso,
26 Aty ny Paradisa, tsy misy ranomaso,
27 Ho inonao ny tany, mpamingana mandady,
28 Avia modia, ry oloko, ry oloko afaka ady!
29 Faharesena an-tany no lalan-tora-tady
30 Diavin'ny mpandresy hamonjy lokan'ady ,
31 An-koatry ny hita maso, hitohy ny voatahy:
32 Avia modia, ry oloko, an-dapan'ny Fanahy!
|
|