|
|
|
|

Entry1  loholona
Root  2  loha, olona
Part of speech  3  noun
Explanations in Malagasy  4  [1.10#L.354] (tokony ho loh' olona no fanoratana azy nefa efa raikitra mihitsy ny manambatra azy ho teny iray) olona lehibe efa mato-tsaina, tsara toetra eo amin' ny tany ama-monina, mahatoky ary hendry amin' ny fanaovan-draharaha sy amin' ny fitondrana olona, ka to teny sy hajaina eo amin' ny tanàna sy ny fokonolona. Ny tena anjara toerany dia ny mitarika ny fivoriana fiaraha-mihevitra ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-pokonolona, ny mandrindra sy mandamina y fifanolanana eo amin' ny fianakaviana na ny mpiray fileovana, ny mitarika ny adidy amana asa fanasoavam-bahoaka, na ny momba ny vola izany na ny asa-tena atao...
5  [1.1] Fitambaran' ireo lehibe mpikarakara (izay atao koa hoe Ray aman-dreny) ao amin' ny fokonolona na fiangonana
6  [1.13] fitambaran'ireo zokiolona to teny eo amin'ny fokonolona
Explanations in French  7  [1.13] patriarche, sages du village, notables
sénateur
Examples  8  Ny ray aman-dreny sy ny loholona no tompon'adidy amin'ny. [2.588#]
9  Isam-bohitra koa anefa dia nisy vadintany sy loholona nitondra ny Fokonolona. [2.113#35]
10  Izahay ihany, hoy ilay letrezana izay fantany tsara fa an'ny loholona tao an tanàna. [2.895#112]
Vocabulary  11  Politique
Compound words 
Proverbs  13  Proverbs containing the word loholona
Article  14  Randzavola: loholona ao amin' ny Baiboly

Updated on 2022/07/30