Entry | 1 matoanteny |
Elementary words | 2 matoa, teny |
Part of speech | 3 noun |
Vocabulary |
4 Linguistics |
Explanations in Malagasy |
5 Sokajin-teny enti-milaza ny teny fototry ny fehezanteny ka ny fiforonany dia amin' ny alalan' ny tsirinteny mirafitra amin' ny fototeny. 6 Misy karazany sivy ny matoanteny malagasy: a) ny matoantenin' ny mpanao (ohatra: mamatotra); b) ny matoantenin' ny iharana (fatorana ny omby); d) ny matoantenin' ny atao (afindra ny entana); e) ny matoantenin' ny fitaovana (afatotra ny omby ny tady); f) ny matoantenin' ny sehatra (mifatotra ny omby); g) ny matoantenin' ny mpandray (velarana tsihy ny vahiny); h) ny matoantenin' ny mpamaritoe-javatra (amatorana, ifatorana); i) ny matoantenin' ny mpampanao (mampamatotra); j) ny matoantenin' ny mpifanao (mifamatotra) 7 sokajinteny [1.1] 8 Ny atao hoe matoanteny dia ny teny rehetra fanao teny enti-milaza asa. Ohatra: milalao, jerena, ahandroana. [1.146#75] 9 sokajin-teny afaka miovaova endrika [1.13] 10 sokajin-teny manambara asa, hita ao amin' ny fehezanteny malagasy [1.62#738] |
Explanations in French |
11 verbe [1.13, 1.5#208] |
Examples |
12 Avy amin' ny matoanteny avokoa ireo, ka ny m novàna ho f, ary samy milaza ny enti-manao [2.296] 13 matoanteny efa amin' ny fomba mandidy rahateo nefa mbola mitovana nao ihany indray ka mafimafy kokoa noho ny diniho fotsiny [2.314] |
Compound words |
|
Updated on 2024/08/16 |