|
|
|
|

Entry1  Mpiandry omby
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4  Andriarimalala René
Full text 
5  Injany re tsitapitapy
6  Any an-tendrombohitra any
7  Ny firefotry ny japy.

8  Rivorivo be mifioka !
9  Izay nandraraka an'izany?
10  Tovolahy mampiady sioka.

11  Mpiandry omby maro andiany
12  Mihosy ahitra efa hoto
13  Fa avy ny hariva hodiany.
14  Sady milalao no miasa,
15  Misakana omby tsy hifanoto;
16  Fa nivadika ny rasa…

17  Ka manenjana salaka
18  Ny vantobanto-jazalahy
19  Manao tolona sy daka.

20  Manatanja-tena izy
21  Ho mahery toa ombalahy
22  Fa efa maika tsy ho ankizy!

Updated on 2024/11/25