Text |
Milina mpitoto injao migoboka ao,
Ampombo be miavosa an-tsisin'ny tamboho;
Indro vehivavy hatsatra sy lao
Mitondra am-babena zaza miamboho.
Rehefa feno ampombo ny gony kely nentiny,
Nataony an-doloha, ny masony efa lalina!
Hokororohina io sitrany hisy ventiny,
Na kely ihany aza hiantoka ny alina!
Etsy ambody hazo ny zaza mitomany,
Ditsoky ny ampombo ka mangarom-bava;
Hontsa ho'aho ilay reny raha mahita izany,
Ka mody velon-kira miantsa dridralava
Tapaka kapoaka!… lohavary mena!
Izay no kororoka namonoana ny andro!
Nitsangana Ingory hamonjy ny babena,
Dia lasa Ramatoa hanokona nahandro.
|
|