|
|
|
|

Entry (1/2)1  ndeha
Part of speech  2  imperative of active verb [Full list]
Explanations in Malagasy  3  mampanao asa olona, mitovy amin' ny hoe "mandehana": 'Ndeha milalao amin' izay ianareo, rankizy
4  Mitaona olona hiara-hanao asa iray amin' ny tena izay miteny: 'Ndeha hilalao amin' izay isika, rankizy (tsara homarihina, araka ireo ohatra roa ireo, fa amin' ilay hevitra voalohany (fandidiana), dia atao milaza ny ankehitriny ny matoanteny manaraka ny "andeha na ndeha", fa amin' ilay faharoa kosa (fitaomana), atao milaza ny ho avy) [1.1#766]
Explanations in French  5  comme andeha. Va, pars, allons, partons, allez, partez [1.3#450]
Examples  6  ndeha hatory isika izao. [2.270#]
7  Angady no entiko,' ndeha hatakaloko akoho. [2.69#]
8  Raha sitrakao, ndeha hijery azy any isika? [2.470#]
9  Niridiridy nitsangana izy ndeha hamely ahy. [2.4#]
Other spellings  10  andeha

Entry (2/2)11  ndeha
Part of speech  12  active verb
Explanations in Malagasy  13  entina milaza asa na fisehoan-javatra mifanindry amin' ny asa ho avy iray: Ndeha hivoaka ny trano indrindra aho no nirotsaka ny orana [1.1]
Other spellings  14  nde

Updated on 2021/10/05