|
|
|
|

Entry1  Ny Abidin' ny toaka
Elementary words  2  abi, toaka
Part of speech  3  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  4  Literature: poems
Author  5  Rajaonary
Full text 
6  A
7  Adala ny olona izay tia toaka
8  Adabok' ireny ny vola ka lany
9  Ataony ambody barika avy hatrany
10  Areti-mandoza no vokatr' izany
11  12  Bedain' ny sasany ilay tia toaka
13  Babon' ny Satana ny fony rehetra
14  Barika mandeha toa manjoretra
15  Baikoan' ny vola tsy misy fetra
16  17  Doran' ny sain' ilay tia toaka
18  Daka diamanga ireo mampijaly azy
19  Difotra ny ainy tsy vazivazy
20  Daroka sisa no mananatra azy
21  22  Efitrin' ny helo no fiainan' lay tia toaka
23  Eso, latsa no ravakin' ny androny
24  Efa lefy matroka izato masoandrony
25  Esorin' ny Satana ny kely manome ny heriny
26  27  Fasana no miandry an' ilay tia toaka
28  Fongana avokoa izay hany fananany
29  Fandrika miandry ny lalan-kalehany
30  Fonja manjohy ka mitady ny tenany
31  32  Godraka ny tenan' ilay tia toaka
33  Gaga ny olona mijery ny toetrany
34  Gidragidra lava no androm-piainany
35  Gaigy sy romotra no fomba fijeriny
36  37  Hetahatan' adala ny an' ilay tia toaka
38  Hevitra taingina no avoakan' ny vavany
39  Henatra baraka no mameno ny tenany
40  Hosoka halatra no fihetsiketsehany
41  42  Iza no mba havan' ilay tia toaka
43  Ireo mpidoroka, mpanamaoly no mba sakaizany
44  Ilaozan' ny maro fa kely ny sainy
45  Izy mety manam-pahaizana fa ny heviny ambany
46  47  Janga no lalan' ilay tia toaka
48  Jereny ny marina toa fahavalony
49  Jesoa halany ka tsy ankasitrahany
50  Jonon' ny Satana izy fa tena rembiny
51  52  Kilemaina, vatana, saina ilay tia toaka
53  Kamboty velona ireto taranany
54  Kitratraina ny vady aman-janany
55  Kamo be tenda no tena talentany
56  57  Lova ratsy no anjaran' ilay tia toaka
58  Lany ny harena noho ity fahadalany
59  Levona ny fanahy fa tsy ampy ny heriny
60  Lalan' ny helo no indro izorany
61  62  Mangozohozo ny tenan' ilay tia toaka
63  Mikainkona ny voa vokatr' izany
64  Matimaty foana ny vady aman-janany
65  Mijaly maloka no fiafaran' ny fiainany
66  67  Nahoana no manjombona ilay tia toaka
68  Nanafina ny tava noho izato ditrany
69  Natahotra sao hijinja ny vokany
70  Ny antson' i Jesoa tsy nasiany dikany
71  72  Ozona no miandry an' ilay tia toaka
73  Olona meloka ireto taranany
74  Ory misento ny androm-piainany
75  Omby mahia tsy lelafin' ny namany
76  77  Potika ny androm-piainan' ilay tia toaka
78  Potraka faona ka hopitaly no tranony
79  Pentina sisa no mamantatra ny tenany
80  Peratra saro-tavohangy no hany ravany
81  82  Rovitra akanjo no anjaran' ilay tia toaka
83  Ratsy fitafy izato vady aman-janany
84  Raiki-tahotra raha mahita ny tavany
85  Ratra, rangotra no valim-pananarany
86  87  Sempotra lava ilay tia toaka
88  Sady bila fandeha no mena ny masony
89  Safotra miakatra ambony ny tosidrany
90  Sahirana lava ka makanimakany
91  92  Taranaka mijaly ny an' ilay tia toaka
93  Tenany very ary koa izato hajany
94  Tapitra sy velona ny fahasambarany
95  Tranomaizina no toa mba anjarany
96  97  Voa mikainkona sisa ny an' ilay tia toaka
98  Vavaka adino ka toa tsy asiany dikany
99  Very haja ny tenany fa lany izato harenany
100  Vitsika mandady avy toa tsy matiny
101  102  Zara raha velona ity tia toaka
103  Zovy no manana fo mifora sabora
104  Zovy no mpangataka voa korakora
105  Zatovo naditra iny fony Tanora

Updated on 2024/11/25