Entry | 1 ranoray |
Elementary words | 2 rano, iray |
Part of speech | 3 adjective |
Explanations in Malagasy |
4 Enti-milaza loko maro mitambatra ka manjary tokana lehibe, bambaray: Irony loko samy hafa atentin' ny habakabaka / milahatra mirindrarindra, milanto mifanapatapaka / kanjo nony kelikely mihanaka ho ranoray. (Haeckel A.) 5 Mitovy tantana: Tondraka ny rano manodidina ny tanàna, ka tsy nisy havoana sy lemaka intsony, fa ranoray no fitazana azy [1.1] 6 tokam-pangaro [1.13] |
Explanations in English |
7 [rano ray] Covered, diffused, overflown, overspread, uniform, universal. [1.2#500] |
Explanations in French |
8 [rano-ray] grande surface couverte d’eau; de même niveau, de même hauteur; universel, couvert tout entier, comme d’une seule plaie, d'une sueur générale [1.3#510] 9 homogène [1.13] |
Examples |
10 Mirebareba akanjo mainty ranoray aho rehefa tena miasa. [2.445#] 11 Tamin' izany, nisy fihetseham-baovao Nanova ny tontolo tony ranoray; [2.576#] 12 Difotra ny tanimbary rehetra, ny zehitra amoron' Alaotra lasa ohatra ny farihy ranoray daholo. [2.472] |
Other spellings | 13 ranoiray, ranoiray |
Anagrams | 14 arorany, ranoray, rarinao, roranay |
Updated on 2023/05/28 |