Entry (1/3) | 1 sambatra |
Part of speech | 2 adjective |
Explanations in Malagasy |
3 [1.1] Miadana, tsy manan-java-mahory, tretrika: Raha te ho sambatra ianao, rahatrizay, mianara tsara ary miasà mafy Miadan-tsaina, milamin-tsaina, finaritra: Sambatra izany fianakaviana mifankatia izany Mananjara, tsara vintana, ambinina: Sambatra izy nahazo vady hendry |
Explanations in English |
4 [1.7] blessed, happy |
Explanations in French |
5 [1.8] heureux, béni |
Examples |
6 Nahatsiaro ho sambatra ery izahay mianakavy nony nandry voalohany tamin' ny tranonay vaovao. [2.472] |
Derivatives |
|
Compound words |
|
Phytonyms |
|
Proverbs | 11 Proverbs containing the word sambatra |
Entry (2/3) | 12 sambatra |
Part of speech | 13 noun |
Explanations in Malagasy |
14 [1.78] [Tambahoaka, Tanala]
fora, famorana 15 [1.1] [Taisaka] Famorana zaza mitambatra amim-pomba lehibe, izay fanao isaky ny fito taona, izany hoe ny zazalahy rehetra teraka ao anatin' ny fito taona dia atambatra hatao hasoavana amin' io andro iray io |
Explanations in French |
16 [1.13] circoncision |
Analogs | 17 didiam-poitra, fora, foza, savatse, hasoavana, tapakanake |
Entry (3/3) | 18 sambatra |
Part of speech | 19 noun |
Explanations in Malagasy |
20 [1.1] Fahandro katsaka amin' ny babiny, na mangahazo lena atao tetika lava |
Updated on 2025/01/21 |