Full text |
13 Tafatoetra ao am-poko miaraka aminao androany,
14 Ny hasambara-nokatsahiko hiononako eto an-tany!
15 Ny hatsaran-tarehy nohiraiko sy ny bika nokatsahiko
16 Tsy alaiko noho izay hitako aminao navahiko …
17 Sodokan’eritreritra aho izay elabe izay …
18 Hetahetan’ny tanteraka, afo mampiolomay
19 No nandoro ny fisainako! ‘zay nenjehiko kanefa
20 Moa tsy volavolam-bika tsy haharitra rehefa?
21 Fa ny hitako aminao dia ny vatosoa miafina;
22 Perla mamirapiratra, satry foana hotarafina
23 Fa mampita hazavana mampionona fanahy …
24 Tia ny endrikao aho, mamkamamy anao tanteraka;
25 Nefa mbola ambony lavitra, manan-kery haninteraka
26 Ny fanahy atolotrao hiara-tsambatra amin’ny ahy!
|
|