Full text |
6 Raha sendra misoka ny volana ambony,
7 Raha takona mantsy, ka tsy mba hita intsony,
8 Ankaratra misento, ka tsy mba mitony,
9 Andringitra no ho avy hanony ny fony.
10 Irony domohina raha toa saraka ala,
11 Indrisy! misento. Indrisy! fa adala?
12 Manembona hono, fa lavi-malala -
13 Hanova no sisa, fa sampin-tanala.
14 Avia, ry vorona? Avia mba mikalo!
15 Alaotra nilaozana, tomany mpandalo;
16 Very tsiriry ka indrisy? mimalo? -
17 Vonoiko ny sento, tsy ekeko hampivalo.
18 Ory manjavona - Ankaratra izany?
19 Onena misento - Ankaratra ihany
20 Ny tsy anilan-tiana no tena tomany -
21 Ny lehilahy kosa tsy lavon'izany.
22 Ora-midona no mety hampahatsiahy
23 Ozom-pitia mijoro hampanahy;
24 Toa aloka sisa, fa very fanahy? -
25 Tanala very sampy aho, ry lahy.
26 Samborina ve ny domohin'ny tena,
27 Samborina ho an-kafa, hanorisorena?
28 Indrisy! misento. Indrisy! mivena -
29 Izaho manan-kambo tsy resy resena.
30 Efa nisinda ilay kinta-nirina,
31 Efa niova fangirifiriana;
32 Orosan-tsy satry ny sento iniana?
33 Ovao ny famindra, ka 'ndeha miova tiana.
|
|