|
|
|
|

Entry (1/2)1  telonohorefy
Elementary words  2  telo, refy
Part of speech  3  noun
Explanations in Malagasy  4  Ireo kintana telo mamirapiratra tsara ireo no voalazan' i Joba (9. 9 ; 38. 31) sy Amosa (5. 8) amin' ny teny hebreo hoe Chesil (gr. Orion). Koa satria isan' ny kintana miseho miharihary izy, dia voalaza, miaraka amin' i Ikotokelymiadilaona sy ny kintana sasany, ho famantarana ny herin' i Jehovah, Izay nametraka azy eny amin' ny lanitra. Ny mpanoratra sasany anefa mihevitra fa kintana hafa, tahaka ilay mazava sy mamirapiratra fatratra atao hoe Siritis, na Canopus, na Cor-Scorpionis, no voalazan' ny teny hebreo hoe Chesil. Asa izay tena marina amin' izany. [1.38]
5  antokon-kintana telo avarabaratra andrefan'ny Vahindanitra, mamiratra manintona ny fijery [1.1]
Explanations in English  6  the three stars of the belt of Orion [1.7]
Explanations in French  7  les trois étoiles du baudrier d'Orion [1.3#693]
8  les trois étoiles de la ceinture d'Orion [1.8]
Examples  9  Mahavona ny kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny telonohorefy? [2.996]
10  ary ny orimbintana amy ny lanitra, sy ny masoandro, sy ny volana, sy ny kintana telonohorefy, sy ny sasany; [2.48]
Vocabulary  11  Astronomy
Analogs  12  miadilaona
Proverbs  13  Proverbs containing the word telonohorefy
Quotes  14  Texts mentioning telonohorefy

Entry (2/2)15  telonohorefy
Root  16  telo, refy
Part of speech  17  noun
Explanations in English  18  the greatest [1.7]
Explanations in French  19  chose ou personne grande, éminente [1.8]
Examples  20  Misy 70 mahery ireo olona nahitany hevitra ary vitany lisitra ny anarany. Ny ankamaroany amin' ireo dia ny telonohorefy. [2.304#D]

Updated on 2023/02/20