|
|
|
|

Entry1  Teo amin' ny valsa
Elementary words  2  teo, amy, valsa
Part of speech  3  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  4  Literature: poems
Author  5  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Full text 
6  Moa ianao tsy teo an-tratrako, ary efa sambatra aho
7  Namolivoly ny takolako teo an-daingon-tavanao
8  Ary azoko natao ny nioty anao an-taho
9  Ry Voninkazo fanaperana, eny azoko natao.

10  Eny azoko natao, tsy ho nandà ianao
11  Efa niaraka nihovitra ny fanahy mifankatia
12  Nefa tsy nioty aho ny itiavako anao
13  Dia ny hanitrao tsy fantatro, no nofisiko doria,

14  Fa ny hanitrao tsy fantatro, ao anatin’ny vinaniko
15  Dia nivoatra hifandrindra amin’ny nofinofy mamiko
16  Ao aho, mianoka ao, mianoka ao doria, doria.

17  Tsy nioty aho, ary tsy hioty anao
18  Aoka ho zava-miafina amiko, izay rehetra aminao
19  Ndrao hanony ny hetahetako, ny hetahetako fitia.

Updated on 2025/02/01