|
|
|
|

Entry1  Vetson' ny manina
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4  Rakotomalala-Rabarijaona Louis
Full text 
5  Eritreritra miampita no manainga ny vinany
6  Mba hanembona mazàna'lay akany nisehoana,
7  Ka ny foko manina azy dia misentosento foana,
8  Saingy tsy afaka manoatra noho ny elanelan-tany.

9  Eritreritra miampita no manintona ny foko
10  Ho eo an-dapan-drotsirotsy fitobian'ny hava-maro;
11  Dia mandefa vetsovetso'zany saina mahatsiaro,
12  Lavitra azy ka voarakotry ny sento sy toloko.

13  Eritreritra miampita ho ao an-tanin-dray sy reny
14  No manetsika ny saiko mba hisidina mankany,
15  Ka ny sorisory lava'zay namelona tomany
16  Toa hisolo fifaliana hoy ny nofinofiko eny.

17  Eritreritra miampita no miserana mandalo
18  Toy ny rivotra mahery'zay misafo ny tanety,
19  Ka tsy hay arahi-maso fa mimaona vetivety
20  Mba hamangy'lay akany'zay tsy foiko hatakalo.

21  Eritreritra miampita'zay tsy sitram-panafody
22  No mibitsika mangina sy tsy levona ao an-tsaiko,
23  Ka na zovy hampitony dia tsy mety miandry baiko
24  'Zany vetsom-poko'zany f'efa mamy'zao ny mody.

25  Eritreritra miampita toa hamafa ranomaso
26  No manafotra hatrany'zany foko tsy tamana,
27  Te-hahita'lay akanin-dray sy reny fihantana,
28  Fa voairaky ny vintana sy zara be ankaso.

29  Eritreritra miampita ho any ambadiky ny bonga
30  No mamaky habakabaka ao an'efitra mangina;
31  Nofy ihany nefa izany ka ho foana sy ho sina,
32  Na dia velom-paniriana sy mirary ny ho tonga.

Updated on 2024/12/10