1 | Midona ny oran' Ankaratra, Vaky tsipelana ny eny Anjafy. Maitso manombana ny eny Andringitra, Manjombonjombona Ambohimanoa; | 35 | Sy ny mandevina olo-malala (...) Irony vero erý ambony fasana Milenodenoka mora malazo. Matsoraka mora mipika; Rehefa midaboka dia mora lo. |
5 | Maizimaizina toa malahelo Irony rahona eny an-tampon' Imanga; Manjombonjombona ny zava-boahary Ka tsaroana ireo havan-dasa; Fa isika olombelona | 40 | Toy izany isika olombelona Fa izany no fomban' ny tany. Irony hazo erý an-tsisim-pasana Ny tahony, tahon-tsaramanga. Ny raviny soa pelapelaka. |
10 | Tsy fo vato fa embona, Ka manembona ireo efa lasa: Tsy mihinana voamanadino, Fa misotro voamahatsiahy, Ka velon-tsento mazàna, | 45 | Ny voany voamahatsiahy. Koa tsarovy izay efa voalaza ; Mamoiza izay manana ny maty. Fa ity tany ity famoiza-malala: Ny maty tsy mba miverina, |
15 | Fa mahatsiahy ireo efa nafoy. Mipatrapatraka ny oram-baventy Ka mipotrapotraka ny ranomaso, Fa ny don' oran' Ankaratra. Toa fingadon' Ikaky sy Ineny; | 50 | Na miverina aza tadio Ary na hita aza dia nofy! Koa mahaiza manonon-tena. Ataovy tahaka ny hanin' omby Ka sady minià no miraoka. |
20 | Ny kotrok' oran' Ankaratra, Toa feon' ireo efa nafoy Ka manaitra ny fo malahelo, Izay nisaraka tamin-dranomaso. Ny tadio mitambolina raha lohataona | 55 | Namoy havan-tiana ve tsy hitomany! Fa toy ny rahona ny ranomaso, Ka rehefa mavesatra izy mirotsaka: Kanefa andalano ny ranomaso. Toy ny hahazan-kitay ny alahelo |
25 | No fiverin' ny ambiroan' ny maty; Fa ny kotroka mingodona ren' ny lavitra No fitsidiny raha fahavaratra (...) Inona no zava-mangidy? Ka ny laingolaingom-paraky: | 60 | Ka ahaverezana isaka ny mandanona: Toy ny vary an-tsompitra Ka ahafahana tsikelikely isan' andro. Fa raha izany no mitotohitra. Tsy mahavanon-ko olona no farany. |
30 | Ary inona no zava-mafaitra? Ka ny laingolaingon' amberivatry. Kanefa tsy ny laingolaingom-paraky no mangidy. Ary tsy ny laingolaingon' amberivatry no mafaitra, Fa ny mamoy havan-tiana | 65 | Fa maharatsy ny fahoriana. Koa sikino ny saina, onony ny alahelo Fa ny ranomaso tsy mahatana aina, Ny singambolo tsy mahafehy faty, Ny vola tsy mahavidy aina (...) |