Entry (1/4) | 1 babay |
Part of speech | 2 noun |
Explanations in Malagasy |
3 [1.10] Kilalaon' ankizy izay manipy zavatra eny an-tanany hisavoana dia tantazany tsy ho latsaka sady ataony hoe: "Latsaka i babay, tonga i babay". (Sarina tanisa). |
Explanations in English |
4 [1.2] a children's game |
Explanations in French |
5 [1.3] Nom d'un jeu d'enfants consistant à laisser choir quelque chose de la main et à le ressaisir dans la chute. On dit en jouant : Latsaka babay, tonga babay. lit. Babay tombe, babay remonte |
Vocabulary |
6 Game |
Compound words |
|
Proverbs | 8 Proverbs containing the word babay |
Entry (2/4) | 9 babay |
Part of speech | 10 noun |
Explanations in Malagasy |
11 [1.10] Teny fanaovan' ny tambanivohitra sasany, fiovan' ny hoe "baba" (dada). 12 [1.78] [Sihanaka] renibe |
Explanations in English |
13 [1.2] [Provincial]
in the provinces it used for father. |
Vocabulary |
14 Relationships: family |
Entry (3/4) | 15 babay |
Part of speech | 16 interjection [Full list] |
Explanations in Malagasy |
17 [1.10] Tenim-piontanana, na fahataraina, ataon' ny olona izay voatendrin' ny manampahefana hisambotra na hitana ny olona ahiahina ho namosavy. |
Explanations in English |
18 [1.2] an expression of lamentation uttered by the officers appointed to seize those suspected of sorcery. |
Compound words |
|
Entry (4/4) | 20 Babay |
Part of speech | 21 name (toponym) [Full list] |
Explanations in Malagasy |
22 [1.10] Tendrombohitra eo ankavian-dalana mankany Mojanga, andrefan' i Moriandro, sahabo 6 km. atsimon' i Lovohitra. Mievotra eo afovoan' ny tany lamaka izy ; tomandavana mianavaratra sy mianatsimo, ary Babay no anaran-tokana ilazan' ny olona azy. Misy tendrony efatra anefa izy: ny atsimo no avo indrindra, ary mihaiva hatrany. Misy kirihitr' ala betsaka eny antenantenany eny :voafotsy no be amin' ireny, sy ilay hazo mafy atao hoe famaho, karazan' ny harahara. Samy efa nonenan' olona ireo tendrony efatra amin' i Babay. Ny atsimo indrindra dia atao hoe "Antampon' i Babay" : nonenan' izany olona natao hoe "Ibabay" na "Ralaibabay" (asa na Sakalava na Vazimba izy io). Ny tendrony manarakaraka dia "Ambohimanoro", nonenan' izay natao hoe Andriamanoro. Ny fahatelo dia "Ambohimalemizaka", nitoeran' izany "Andriamalemizaka". Ny tendrony fahefatra dia "Ambohitrandriana" ; io sisa misy mponina mandr ak' ankehitriny, ka ataon' ny olona hoe Babay. Samy voahodidina hadivory avokoa izy efatra. Fasana, fahitr' omby rava, ary vavahady mikorontana sisa hita eo amin' ireo telo atsimo. Samy fonenana tsara anefa izy, satria sady manga rivotra no akaiky rano (tra-toraka avy eo am-bavahady) ary mora iarovan-tena amin' ny fahavalo. -- Misy farihy telo namboarina eo antenantenany andrefana, izay samy be kirihitr' ala mahafinaritra. Ny lehibe indrindra dia "Andranosoa", tokony ho 150 m. ny lavany mianavaratra sy mianatsimo ary 80 m. ny sakany ; be harefo sy trondro io. Ny roa kelikely avy dia eo ambony atsinanan' ity lehibe : ankevitry ny samy 80 m. avy ny lavany ary 30 m. ny sakany : "Andranomizàna" sy "Andranonamboa" no anarany. ... |
Explanations in English |
23 [1.2] a mountain in Imerina |
Explanations in French |
24 [1.3] célèbre montagne au nord-ouest de l'Imerina |
Examples |
25 Lohavohitra, lasan' ialahy ! ka dia alai' ny ialahy indray i babay ! [2.48] 26 Tonga indray ny taratasin'ny Prime Minister nanao hoe : Mankanesa ao babay hianareo; [2.59] 27 Avaradrano : renivohitra : Ambohimanga, Antananarivo " : Alasora " : Ambohidratrimo " : Fenoarivo " : Lohavohitra sy babay " : Betafo sy Antsirabe. [2.113] |
Vocabulary |
28 Geography: mountains, vales |
Proverbs | 29 Proverbs containing the word Babay |
Quotes | 30 Texts mentioning Babay |
Anagrams | 31 ababy, abiba, babay, Babay, babia, ibaba |
Updated on 2023/09/21 |