|
|
|
|

Entry1  matoanteny
Elementary words  2  matoa, teny
Part of speech  3  noun
Explanations in Malagasy  4  [1.1] Sokajin-teny enti-milaza ny teny fototry ny fehezanteny ka ny fiforonany dia amin' ny alalan' ny tsirinteny mirafitra amin' ny fototeny.
Misy karazany sivy ny matoanteny malagasy:
a) ny matoantenin' ny mpanao (ohatra: mamatotra);
b) ny matoantenin' ny iharana (fatorana ny omby);
d) ny matoantenin' ny atao (afindra ny entana);
e) ny matoantenin' ny fitaovana (afatotra ny omby ny tady);
f) ny matoantenin' ny sehatra (mifatotra ny omby);
g) ny matoantenin' ny mpandray (velarana tsihy ny vahiny);
h) ny matoantenin' ny mpamaritoe-javatra (amatorana, ifatorana);
i) ny matoantenin' ny mpampanao (mampamatotra);
j) ny matoantenin' ny mpifanao (mifamatotra)
sokajinteny
5  [1.146#75] Ny atao hoe matoanteny dia ny teny rehetra fanao teny enti-milaza asa. Ohatra: milalao, jerena, ahandroana.
6  [1.13] sokajin-teny afaka miovaova endrika
7  [1.62#738] sokajin-teny manambara asa, hita ao amin' ny fehezanteny malagasy
Explanations in French  8  [1.13, 1.5#208] verbe
Examples  9  Avy amin' ny matoanteny avokoa ireo, ka ny m novàna ho f, ary samy milaza ny enti-manao [2.296]
10  matoanteny efa amin' ny fomba mandidy rahateo nefa mbola mitovana nao ihany indray ka mafimafy kokoa noho ny diniho fotsiny [2.314]
Vocabulary  11  Linguistics
Compound words 

Updated on 2024/08/16