Explanations in Malagasy | Sokajin-teny entina mampitohy teny roa, izay mety ho anarana
(ny saka sy ny alika, vady aman-janaka), mpamaritra milaza toetra
(tsara sy fy), matoanteny roa
(manoratra na mamaky), fehezankevitra roa
(handeha aho ary hijanona izy); mpampitohy fehezan-kevitra: teny enti-mampitohy fehezan-kevitra iankinany
(nomena valisoa izy satria nianatra tsara) Misy 11 ny sokajin-teny amin' ny teny malagasy:
- ny matoanteny (ohatra: miteny),
- ny
tambinteny (ohatra: afovoany),
- ny
anarana (ohatra: ankizy),
- ny
mpamaritra (ohatra: fotsy),
- ny
mpisolo (ohatra: izy),
- ny
mpanoritra (ohatra: ilay),
- ny
mpampiankin-teny (ohatra: amy),
- ny
mpampitohy fehezan-teny (ohatra: rehefa),
- ny mpampitohy (ohatra: ary),
- ny
tenim-piontanana (ohatra: indrisy),
- ny
kian-teny (ohatra: ve).
[1.1]
|