Entry |
telonohorefy
|
Elementary words | telo ; refy |
Part of speech | noun
|
Explanations in Malagasy | Ireo kintana telo mamirapiratra tsara ireo no voalazan' i Joba
(9. 9 ; 38. 31) sy Amosa (5. 8) amin' ny teny
hebreo hoe Chesil (gr. Orion). Koa satria isan' ny kintana miseho miharihary izy,
dia voalaza, miaraka amin' i Ikotokelymiadilaona sy ny kintana sasany, ho famantarana
ny herin' i Jehovah, Izay nametraka azy
eny amin' ny lanitra. Ny mpanoratra sasany
anefa mihevitra fa kintana hafa, tahaka ilay
mazava sy mamirapiratra fatratra atao hoe
Siritis, na Canopus, na Cor-Scorpionis, no
voalazan' ny teny hebreo hoe Chesil. Asa
izay tena marina amin' izany. [1.38]
|
| Antokon-kintana telo avarabaratra andrefan'ny Vahindanitra, mamiratra manintona ny fijery [1.1]
|
Explanations in English | The three stars of the belt of Orion [1.7]
|
Explanations in French | Les trois étoiles du baudrier d'Orion [1.3]
|
| Les trois étoiles de la ceinture d'Orion [1.8]
|
Examples |
1 | Mahavona ny kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?
[2.996]
|
2 | ary ny orimbintana amy ny lanitra, sy ny masoandro, sy ny volana, sy ny kintana telonohorefy, sy ny sasany;
[2.48]
|
|
Vocabulary |
Analogs |
miadilaona |
Proverbs |
|
Entry |
telonohorefy
(telo, refy)
|
Part of speech | noun
|
Explanations in English | The greatest [1.7]
|
Explanations in French | Chose ou personne grande, éminente [1.8]
|
Examples | Misy 70 mahery ireo olona nahitany hevitra ary vitany lisitra ny anarany. Ny ankamaroany amin' ireo dia ny telonohorefy.
[2.304]
|
|