Mpitantara : Kanjo raha samy mbola very hevitra izy rehetra Ka tsy hisy nahahetsika fa nitombina nitoetra, Dia iny kosa Lefahitra fa nandadilady tonga ; Manjokozoko avy nihoatra tany ambadiky ny bonga Lefahitra : Mafy ny adiko lehiretsy ! Hitako ny nahavoa Ny komanditsika teo : lefona avy any ivoho Ary avy hatrany izy dia tolefika eo no ho eo Dia naka vodihazo.. Kanjo tratran-drizareo Dia nobedainy nentiny any. Notsongoiko ìzany diany I Batsola Amina ve ? Aoka izany ny hafaliany ! Tsy maty anefa ny komandy ary tsy ho faty akory Matoa izao ny baiko re : Afatory... Afatory... Ny mety hatao amin' izao dia ny ho any Vohimarina Ka ny fomba filazana no somary amboamboarina Fa raha ny hitono tena aty dia tena sarotra tokoa Toerana mamitapitaka tsy ary ho fantatra avokoa Ny mpitarika tsy misy ka ho famonoan-tena ; Koa ny hevitra zahana, izay mahita, mitenena. Miaramila : Tena loza koa raha loza ! ny komandy babo izany Ka iza ary no ho sahy handeha aloha ka ho any Amin' Ingahy Ratovelo handamina ny fahatezerany ? Lefahitra : Ity aho manolo-tena. Ny tahotro koa anefa tsy anerany Satria tsy fantatro tokoa izay vokatra hiseho Koa ny vola latsa-kemboka no atambaro dia omeo. |
Mpitantara : Ankorika ity nosy ifitsahan-dry zareo Avy eo dia hatsinjovany ny rehetra, mety hiseho. Tazana eo Vohimarina ary avy eo koa No mora ahazoany miala hifindra nosy raha voa. Andro telo izy izao no tonga teo. Nandritra izany Tsy natory i Batsola fa dia niady. Niady hatrany Hanavotra aina ity babony iontanan' ny fitiavany Mila tsy ahitan-teny fa mikomboma ny vavany. Resy aho, resy aho.. hoy izy.. Izany foana no ambarany. Miaramila : Ny Ampanjaka ô indrisy, malahelo izahay izao Tena fandresena hita nefa niova ny natao. Batsola : Resy aho tena resy babon' ny Fitia tanteraka Ka nivaha hery aho tsy afaka ahantanteraka Ny fanafiha-nokasaina. Miaramila : Aoka hianao hanova hevitra ! Ampanjaka hianao Batsola ka aza mety ny hilefitra. Batsola : Ataoko ahoana fa ny tia sy ny manina voafady Mahery andro ity fitia, nahongana ny ady Tsy voaongotra intsony fa efa latsaka aman' aina ! Miaramila : Indrisy ampanjakanay. Marary fo, marary saina. |
|