Mivaingana aminy ny resaka... Tsia tsy resaka tsy akory Fa ady... Tena ady ngeza mampijaly, mampahory... Dia navaingany ny heviny ka izao no fahatapahany Ary iza re no tsy hangoraka izato fahantram-panahiny ? Batsola : Babonao aho ry aiko, efa resinao tanteraka Ka ny sitrakao ihany no tsy maintsy ho tanteraka Tsy hanana safidy aho. Tadidio anefa ity : Tianao voalohany aho ! Eny, tia ka tena tia... Moa tsy hianao no namoizako ny tena fototro rehetra Fanjakana ! Tanìndrazana ! Ray sy reny ! ka nitoetra Teo am-pelatananao. Fahafoizana izany. Ka tsy misy hiverenako mandra-podiko ho tany ! Tsy manana safidy aho araka ny fo voambarako. Eo am-pelatananao izay nataoko hifaharako Ny aiko sy ny momba ahy. Raha misy fiverenako Dia ho taperina ny aiko. Nefa tsisy hanenenako Ny nitiavako anao izay ninoako ho fahasambarako Mipetraka aminao tanteraka ny hiafaran' ny tantarako Milaza anefa hianao izao fa tsy manana safidy Ambony aminao mihoatra ny rehetra ny adidy Tsy hitsivalana amin' izany ny fitiavako tsy akory N' inon' inona mangidy n' inona n' inona mahory Izany zazavavy izany mbola asa izay fitiavany Nefa hitantsika aloha fa nilaozany ny havany. Tonga izy... Tonga aty noho ny amin' ny fireneny. Ny fihafiana rehetra rehetra mety ho hita aty nekeny. Menatra aho eo imasony tsy nanana ny herim-pony Nefa nentin' ny fitiavako, tsy hanenina intsony. |
Tsotra ihany no ambarako sy tapahiko, dia ity Tsy haiko ny hampijaly anao noho ny amin' ny Fitia Fa mba hahafahanao mamita ny adidinao Dia hanainga hiala aho 'zao ankehitriny izao... Hody ve aho izao ? Any faty no miandry ahy ! Tsy maninona tsy akory ! Nefa mbola te hiahy Ny tenanao tokoa tokoa aho katsy mbola hamono tena Koa dia eny Ankoriaka no kasaiko hovonjena Tsy izaho hilatsaka fahavalonao tsy akory. Mbola vonona hamonjy raha misy izay mahory. Raha misy andro sarotra mbola azonao antsoina Sy haleha eny aho. Tsy nataoko ho vonoina Na oviana na oviana ny fitiavako anao... Tadidio fa aza hadino izao toky homena izao ! Toy ny efa nisarihako ny ainao tamin' ny fasana No mbola hamonjeko anao, aorian' ny filefasana ! Ny any tsy azoko atao dia ny hanolotra eo an-tanako Ny tanindrazako ho anao. Fa ny hafa izay ananako : Tena, aina, fo, fanahy sy ny androko rehetra Dia azonao alaina amiko n' aiza n' aiza aho mitoetra., ? Hiomana aho izao dia hiainga fa efa tonga ny vahiny Ka tsy tiako hasiana aloka izay anjara fifaliany.. Sady koa tsy tiako hianao hisy fahasahiranan-tsaina Haveriko ihany "Aza hadino raha misy izay ilaina". Rasata : Kepoka aho tsy mahateny. Tsapako eto tsy azo amboarina Fa migadona ny lahata ho ahy eto Vohimarina Mahery sata ny adidy, ary indrisy fa tsy haiko Izay teny hampiononako ity malalako, lalaiko ! |
|