Fa rehefa hitsangana afo ny ery Ankoriaka Dia miainga ho avy izy ! Aoka handray azy isika 'Ndeha rahavako tazano f'izy sisa antenaina Eto am-pitolomam-parany hampiverina ny aina ! Ranoro : Moa hananako ny hery hankato ny hata-badiko ! Ao anaty foko ao dia mangotraka ny adiko ! Tsy nety ny hasarotampiaro fa nirongatra tsinahy Nampahory ny eritreritro sy nandrovitra fanahy ! Indrisy izato saim-badiko eo am-pialana aina Fa mitodika amin' ny hafa mbola tsiarony holalaina Marina tokoa fa avotra no hiandrasana ny ho avy Nefa ataon' ny foko ahoana ny hanaiky rafivavy ? Nde ihany aho hananika eo Ampitiliana hijery... Ndray ry dona-tsetroka.... Ho lazaiko ve ? Mahery Mahery ny herim-pandrafiana ka tsy tantiko hatao Ny hilaza izay hitako. Mandainga tsotra izao ! Raha hilaza aho anefa dia angamba hisy hery Ahatazona ny vadiko, nefa moa ahy irery Ny fitiavany avy eo ? Holazaiko... Tsy holazaiko Tsy holazaiko... Holazaiko... Ô sahirana ny saiko Ranoro : Tsy voafolako ny tenako : handaingako ankitsirano[?] Aza hitako eo anefa ka ahitako angano ! Tsy eo rahavako ny setroka, inona ary no hatao, Aza be ahiahy fa rera-doatra anie hianao ! Rasata : Ndeha re tazano ihany, efa ambivitra it aina Ny fiavin' i Amina, mitondra fanafody no antenaina ! |
Mpitantara : Dia niverina Ranora, niverimberina nitazana, Nefa mbola nikirizany ny handainga filazana Akaiky marina ny farany... Miolomay ny fitia Fa antomotra ny fetra hampisaraka ny dia... ! Efa akaiky ry Batsola. Tazany eo Ivohimarina Fa toa mivorivory olona. Tsy mba sarotra fantarina Fa misy vaovao ao. Dia tonga eo am-bavahady Rasata kosa amin' izay manatrika ny fara ady, Safotra misefosefo... Efa tsy ho tana intsony ! Indro niditra Ranoro. Izay vao vonona ny fony... Rasata ô, hoy izy... ny dona-tsetroka efa ao ! Tsy nandreny intsony anefa 'lay an-dalan' ny handao Nihatoka izy, dia nisento... Niala tamin' iny ny ainy. Rasata ô ! Sahady ve ? Harianao aiza aho ? Injay koa tan-damosiny, feo tomany mitalaho : Tsy tratrako izy loza ! loza ! Indrisy tapitr' aina Batsola io... niankarapoka... Torovana ka very saina ! Ratovelo nahare ny kiakiaka an-tomany No tonga niditra nanirina, nandohalika amin' ny tany.. Ary hoy ny vetsovetsony, toy ny saron' aizin' alina : LAVO ILAY NAHERY FO IZAY NANANDRATRA NY ADIDINY KA NANDRESY NY FITIAVANY SY NAMOANA NY SAFIDINY.... |
|