|
|
|
|

Entry1  Andranobevava
Part of speech  2  name (toponym)
Vocabulary  3  Geography: rivers, lakes
Explanations in Malagasy  4  renirano eo afovoan' ny hetrina malalaka, anelanelan' ny rambon-tanin' Amboditsiry sy ny an' Analamahitsy, vakin' ny arabe mianavaratra (Antananarivo-Ambohimanga). Ny lohan' io renirano io dia any akaikin' Andraisoro, mandeha mianavaratra ny anankiray, ary ao Ambodiakondro, mandeha miankandrefana ny anankiray; mihaona eo akaikin' i Nanisana izy roa ireo, ary hatreo ka mandra-pidiny amin' ilay lahindrano eo atsimon' Ivandry, no iantsoana azy ho Andranobevava. -- Tany aloha, raha mbola tsy voaisy fefiloha ity renirano ity, dia nanafotra ny hetrina teo an-daniny roa ny tondraka amin' ny fahavaratra, ka manjary hoatra ny lehibe ny vava-rano; izany no nahatonga ny anarany ho Andranobevava. Ny nampahalaza azy indrindra anefa dia satria io no "rano" naha-avara-drano an' Avaradrano. [1.10#37.2]
Explanations in French  5  limite sud du territoire d'Avaradrano [3.1]
Elementary words  6  rano, be, vava
Tables and plates  7  Full list

Updated on 2024/07/15