|
|
|
|

Entry1  Dieny mbola velona aho
Elementary words  2  dieny, mbola, velona, aho
Part of speech  3  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  4  Literature: poems
Author  5  Rakotomalala-Rabarijaona Louis
Full text 
6  Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko,
7  Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko:
8  Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako
9  Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako.

10  Dieny mbola velona aho ka mijoro koa ny vatako,
11  Dia ity no foto-kevitra tsy maintsy hosoratako:
12  Gasikarako malala dia voasokitra ao anatiko,
13  Hatr'izay nisiako'zany ka ho mandra-pahafatiko.

14  Dieny mbola velona aho ka ny masoko mihiratra,
15  Dia iriko ny hanondrotra ny Gasy mba hamiratra,
16  Ary 'zao no ventin-kevitra sy voady tena mamiko:
17  Ny handray ny Malagasy mba hitovy hevitra amiko.

18  Dieny mbola velona aho ka milamina ny fiainako,
19  Dia i Madagasikara no ao anatin'ny fisainako:
20  Io 'lay Nosiko malala'zay akany nahafoizana,
21  Ka ny hampisondrotra azy no kendreko hotohizana.

22  Eny, maty aza aho ka hikatona ny fasako,
23  Moa tsy Madagasikara ve no tsangambato' asako ?
24  Dia i Madagasikara Nosy mamy fikirizana,
25  Ka tsy levona ao am-poko fa natao fitehirizana.

26  Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko,
27  Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko:
28  Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako
29  Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako.

Updated on 2025/02/01