Explanations in Malagasy |
3 [1.10] (Maley ako; Maleyo-polyneziana au): izaho. Amin'ny Merina, dia iray ihany ny IZAHO sy ny AHO, saringy ny fitoerany eo amin'ny fandehan'ny teny, na ny fehezanteny: ny izaho enti-manomboka, ary ny aho vodi-lalana: "izaho (no) handeha", "handeha aho". Ny ankamaroan'ny Tanindrana dia manao aho, manala ny z, izay tsy hita koa amin'ny mpisolo anarana sy ny teny maro hafa: ahay na iahay (izahay); ie na ii (izy); aia (aiza), Ianahary (Zanahary). -- Ny tany aloha nampiasa ny matoanteny miaho na miahoaho: mizahozaho -- mitompo teny fantatra, miditra manao azy ho zavatra. -- Ahoina, ahoizina, ahoy, ahoizo: mpiaho, mpiahoaho, ets.
4 [1.1] mpisolo anarana misolo olona, enti-milaza ny olona miteny ka atao teny lazaina, mitovy amin'ny izaho ihany, saingy ny izaho manomboka hehezanteny ary ny aho mamarana:
Handeha rahampitso vao maraina aho.
Izaho handeha rahampitso vao maraina
|