|
|
|
|

Entry1  Mba zovy kosa ho' aho?
Elementary words  2  mba, zovy, kosa, aho
Part of speech  3  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  4  Literature: poems
Author  5  Rajemisa-Raolison Régis
Full text 
6  Mba zovy kosa, ho' aho, no afa-pahoriana
7  An-tanintsika eto natao toa hijaliana?
8  Ny eo tsy mbola lasa, ny sisa tamy ihany;
9  Indraika no mitsiky, impolo mitomany!

10  Mba zovy kosa, ho' aho, no afa-tsorisory
11  An-tanintsika eto ka lavo loha matory?
12  Ny eo tsy mbola lasa, ny hafa tonga kosa,
13  Ka sorisory lava no zary miavosa!

14  Mba zovy kosa, ho' aho, no afaka ahiahy
15  Ka miramiran-dava milamina fanahy?
16  Ny omaly mampisento, ny ampitso mampiteby,
17  Ka hany sisa hery miseho somebiseby!

18  Mba zovy kosa, ho' aho, no afa-tsentosento
19  Rah' mbola ka mandia 'ty fiainantsika eto?
20  Ny sasany tomany tsy raikitra fikasa,
21  Ny hafa mitoreo manembona ny lasa!

22  Rah' zany re no izy, angamba kosa lahy
23  Tsy eto an-tany eto no misy fifaliana,
24  Fa any an-koatra any, ka any ny Fanahy
25  No hangina samy irery tsy misy mpampangina!

Updated on 2025/02/01