Explanations in Malagasy | Karazam-bibikely mitovitovy habe amin' ny valalavao saingy lava vatana kokoa,
amin' ny antokon' ny Orthoptères. Henjana ny elany ambony ary manify makarakara toy
ny elatra ambany amin' ny azy. Lava be ny tendany. Ny tanany roa anoloana dia sady lava no lehibe
sy mantajaka, io no fandraisany haza, ets., dia biby madinika samy hafa.
Misy karazany maro izy: ny sasany borobory ny lohany ary ny masony roa dia mivoaka avy eo an-daniny avy, karazany vaventy ireo. Ny sasany kosa indray dia lava sady maranitra ny lohany, toy ny valala Tsindakana. [1.10]
|