Full text |
6 Ny dobo kelinay moa ka soa dia soa tokoa:
7 ny morony tontolo, zozoro manga taho;
8 anivony, tatamo mivela-bony soa;
9 ny tsara sy ny meva samy eo no mifamaho
10 He! dobo tsara rano, tiam-borona hisosana;
11 ny arosy vory sanga, tonga eo hisahosaho;
12 tsiriry sy angaka mankeo mba hikorana;
13 vivy no miria eo fa miery tsimilaho.
14 He! dobo tsara loatra, mamelombelona aina,
15 fa laokan-drano maro no ao mihahohaho:
16 amalona sy trondro, mangata-koalaina;
17 ny patsa dia mihaika ny tanan-tsy mivaho;
18 tsindrahaka mitady izay olona mpitia;
19 irony ondrindrano, antsirina aman-toho
20 mpahery mitsoriaka sy fatra-piriaria
21 dia haza mora alaina, tsihifina an-tandroho.
22 lo dobo kely iroana, ka soa dia soa tokoa;
23 ny rano e dia tsara ka manga ny zozoro;
24 ny vonitsiazonafo, dia manga mena soa;
25 miharo eo ny tsara sy ny meva ka manoro.
|
|