|
|
|
|

Entry1  Ilay vavy antitra!
Elementary words  2  ilay, vavy, antitra
Part of speech  3  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  4  Literature: poems
Author  5  Rakotoson Emeralda
Full text 
6  ... dia hitako izy irery
7  manjohizohy moana,
8  iny amoron-kady iny
9  ka manara-kodimirana
10  hatreny am-parataza-maso,
11  mihovitrovitry ny hatsiaka
12  efa lozan-tany ery,
13  izato nofo efa trotraky
14  ny vanin’andro niainany.

15  Hontsa azy aho,
16  ka nantsoiko
17  tam-panahiko:

18  Ndeha ho aiza izato ianao
19  hoy aho, sombintsombiny,
20  no mirezareza valaka
21  sy manjokozoko mora
22  amin-damba latsaka ila
23  ety an-tsisin-dalana,
24  ka miraoka ireto bozaka
25  ny loholambanao
26  izay efa rota nitafiana sy
27  natsifaky ny ela?
28  Natsikiny ahy ny masony
29  ao anaty very maso
30  efa vizaky ny hanina
31  ka nabanjiny ahy mangina
32  sy miresaka any anatiny
33  ka mitafa am-panahy
34  ao anaty velovelony!

35  Tsapako avy hatrany
36  fa hamonjy taninandro
37  etsy ambody goavy maina
38  fara taza-masoandro
39  mba hitafy ankilahila
40  ito nofo izay miketrona
41  feno sarisarim-piainana!

42  Nakimpiko ny masoko
43  nivetso an’eritreritra
44  ka namisavisa irery
45  ity sari-Nanahary
46  tsy ho vita hoso-doko
47  eny an-tanan’ny mpahay
48  raha tany koa ny tany.

Updated on 2024/11/25