Entry | 1 Izy mirahavavy |
Elementary words | 2 izy, mirahavavy |
Part of speech | 3 name (poem title) [Full list] |
Vocabulary |
4 Literature: poems |
Author |
5 Dox |
Text |
6 ...
7 Efa akaiky ny ririnina. Mifarana ny fararano. 8 Manodoka ny eritreritra ny lanitra manganohano. 9 Ny vodilanitra malefaka ilentehan'ny masoandro 10 Mivolombolom-batolalaka, mangarangarana handrohandro... 11 Momba ravinkazo mihintsana ny tora-bovoka, ary izany 12 Dia manetsika alahelo sy vetsovetso lozan-tany! 13 Eo andavarangany eo Rahanta sy Rambolatiana, 14 Vonto izato takariva ka variana dia variana... 15 Harivam-pararano mantsy, mbola ahitana taratra, 16 Mampifoha ny lahataona, mampahatsiahy ny fahavaratra; 17 Nefa koa ahatsinjovana ny manga am-bodilanitra ory 18 Hiavian'ny ririnina tsy ho ela intsony akory... 19 Rahanta sy Rambolatiana indreo mangina fa variana! 20 Mitovy anefa ny eritreriny sy ny vetsony mangina 21 Mitopy itsy volon-danitra, mijery izato tokotany 22 Misimisy ahatsiarovany ny fahatanorany lany... 23 Ny volon'andro tahaka izao manetsiketsika ny fony 24 Hiaina am-panahy ny nofiny tafatsahatra famony... 25 Tsy nofy akory, diso aho, tena nisy anefa lahy 26 Tsy niainany ara-nofo, tam-panahy dia tam-panahy!. 27 28 Mpirahavavy kambana, hono, Rahanta sy Rambolatiana. 29 Hitanao mijery izany satria tapiny itoviana 30 Na ny bika na ny endrika na ny fihetsika madinika... 31 Hatramin'ny fitafy aza raha toa ianao mandinika 32 Dia hahita f'isan'andro dia tsy maintsy itoviany. 33 Angamba tapitra mitovy hatramin'izay zava-tiany! 34 Tsy zazavavy intsony izy amin'izao fotoana izao 35 Fa mandia ny fahalehibeazana... Ho gaga ihany anefa ianao 36 Raha mijery azy miaraka tsy misaraka hatraiza, 37 Toa mpirahavavy kely, saiky tsy omban-tsakaiza, 38 Eny an-tsena, am-pivoriana, eny an-dalana, ao an-trano 39 Izy samy izy ihany no miaraka, tazano... 40 Izay mandalo harivariva eo anilan-tranony eo 41 Dia hamelovelo handre " piano " arahim-peo. 42 Mikalokalo harivariva Rahanta sy Rambolatiana. 43 Kalon'olon-diso nofy manakoako fahoriana! 44 Zazavavy nanahoana tamin'ny fahatanorany 45 Ireo mpirahavavy ireo no dia tsontsa tahaka izany? 46 Raha ny bika sy ny endriny fehizany indray aloha 47 Dia azo vinanina marina fa dia fanaperan-tsoa! 48 Izao lehibe izao izy mbola ahitana izany. 49 Mbola mahavariana fatratra, andriandriana ny hatsarany. 50 'Njay izy maorimaorina, vaventy fa malefadefaka 51 Ka ny soroka mahitsy havanambanana fipetraka. 52 Mihodi-bola lasa fotsy, avoavo tendron'orona, 53 Ngalingaly maso izay... Mampidera ny Mpamorona 54 Hatramin'ireo volon-dohany mitofatofa olioly. 55 Rofia mijoro mavamavana, endriky ny tanimboly! 56 Ry zareo'ray tanàna raha toa ilana resaka 57 Dia hilaza f'izy ireo nisy naka vady betsaka, 58 Saingy asa fa nandà hatrany hatrany hatramin'izao... 59 Mba ahoana indrindra re? Eny, ahoana, hoy ianao? 60 Zanak'olo-mpanana, hono, Rahanta sy Rambolatiana. 61 Tsy zoky, tsy zandry... Izy ihany ka dia tapi-java-tiana. 62 Nataon'ny rainy sy ny reniny kindriandriana sy lalao. 63 Nampihantaina ka nomena izao tiany rehetra izao! , 64 Hatrizay fahakeliny tsy misaraka tokoa. 65 'Ray lalao'ray fitafy,'ray fandriana,'ray fo! 66 Raha kasihina ny iray dia ny iray no tomany. 67 Niombon-javatra nanjo ary niombon-java-mamy. 68 Voninkazo indray mamony, mitovy hanitra sy felana. 69 Nony fe-ho tovovavy, indro miara fanaperana. 70 Iray faharadondradona ary iray hatasitasy. 71 Miombona fisoritra endrika, indray somary kasikasy 72 Amin'ireto voamaso andriandriana fibaliaka 73 Ary ireo laingo-molotra tia tsiky sy hehy sariaka... 74 Ny fitoviana ara-po, ara-tsaina, ara-toetra 75 Moa tsy miharihary marina amin'izay ataony rehetra! 76 Ary hita ihany koa amin'ny fomba anehoany 77 Ny fitiany sy fitsarany izay rehetra anoloany 78 Fa moa va tsy mitovy hatramin'izay boky tiany? 79 Rehefa indray mamaky izy, aiza izany fifaliany! 80 .... 81 Amin'ny andraisantsika ny tantarany eto ity 82 Dia diaviny ny taona famontsinan'ny Fitia... 83 Taonam-betsovetso mamy... taona itiavam-bazo, 84 Itiavana masoandro, lanitra sy voninkazo... 85 Taona feno nofinofy ho an'ny fo vao hifoha 86 Iandrandrana hasambarana hampientana ny fo! 87 .... 88 Misy poety iray tiany, tiany, tena tiany indrindra 89 Tiany vetso, tiany vazo, tiany fo, tiany rindra. 90 Mila ho hainy tsianjery amin'ny poeziny rehetra... 91 Tsy mbola hitany tarehy nefa omeny toetoetra 92 Mifanaraka amin'ny vetsony. Aloalo tonga tiana! 93 Eo amolotr'izy roa ny anarana indrany hoe " Riana " ... 94 Poety vao miandoha fantatra... antenaina ho lasa marina! 95 Mba ianaran'izy roa ianaranarana takarina... 96 .... 97 Io harivariva io, Rahanta sy Rambolatiana 98 Indreo maka toera-mora ka variana dia variana 99 Mamaky ity gazety iray ao anatin'ny sale. 100 Toa ny poezin'ny Riana k'ifandrombahany, endrey! 101 Miara-mihetsika ny molony manonona ny teny mamy. 102 Indray mientana ny fony ka midoboka aok' izany. 103 Tsy tanany ho malemilemy ny feony teo am-pamakiana 104 Ary tsy hitany aza manko fa indro olona variana 105 Niato tamin'ny diany tampoka nandre izany feo izany... 106 Ka niampify ivohon'ny ravina hiery azy avy hatrany. 107 .... 108 Indro izao ny tononkalo indray vakin'izy roa, 109 Eny, indray hirainy mihitsy amim-pientanam-po: 110 " Ny diavolanao mba aiza no tiana holanina? 111 Eo an-tobin'ny zatovo mampiady hira va? 112 Sa an-tanim-boninkazo miaraka amin'olon-tiana? 113 Sa mangina samy irery eny an-tsisintsisin-tsaha " ? 114 Eo an-tenatenany eo... , taitra, ankona izy roa, 115 Injay misy feo reny, feo ahovitry ny fo 116 Nanohy ny poezy vakiny... Tsy hitany hoe " avy aiza " anefa. 117 Reny fotsiny amin'izao, mandrotsirotsy fiantefa: 118 " Mety hafana fo ianao ka hamonjy famoloana. 119 Hiara-mihira amin'ireo mitovy taona aminao... 120 Mety hangetaheta tiana ka handeha mifamotoana 121 Eny an-tanim-boninkazo amin'izay malalanao! 122 Mety hoentin'alahelo ka mamonjy moron-drano 123 Hanjono am-paravodirano volana manganohano... 124 Varian-tara-manga eo am-poto-kazomalahelo! 125 Ny diavolana zatovo dia diavolana korana. 126 Ny an'ny mpifankatia dia diavolam-pihantana... 127 Ny an'izay singan-drery dia diavolan'alahelo...". 128 Tapitra eo ny tonon-kira... Niato koa ilay feo mamy... 129 Vao mainka ankona izy roa! lo nipoitra avy hatrany 130 'Lay nanonona azy niery: tovolahy bikana fatratra! 131 Vao mainka hagagany loatra satria olona tsy fantratra! 132 .... 133 Zarazara izay izy, mazavazava fihodirana. 134 Olioly, avo handrina, mahiratriratra ka mirana... 135 Tsy nahahetsika izy roa... Efa niala satroka izy 136 Vao indreo taitaitra, dia nitsoriaka toa ankizy. 137 .... 138 Io alinalina io, eo Raherilantosoa 139 Mandany vetsovetso irery amin'ny diavolan-tsoa 140 Izay toa mandrotsirotsy ny zaridaina fararano 141 Amin-taratra, oriory, manga sy manganohano. 142 Lasa ery ny eritreriny amin'ny endriky ny Volana 143 Eo anelanelan-taho... Ny fitiany tsy mivolana 144 Moa tsy tahaka an'iny koa? Madio ka mangarangarana 145 Nefa mbola tsy voatsapany ho miteraka hasambarana. 146 Manana endrika sariaka, nefa indrisy mangatsiaka, 147 Fitia an'eritreritra ihany, oriory fibaliaka. 148 Ny fitiany tsy mivolana? Iza anefa moa no tiany 149 Amin'ireo domohina kambana? Ny endrika amam-pitsikiany 150 Tsy tapitra mitovy va ka tsy misy hafa akory?... 151 Toy ny volana mitaha amin'ny tarany an-kamory! 152 Ny fitiany tsy mivolana... Hivolana hanahoana anefa? 153 Voninkazo roa mitovy: ny fony aiza no hiantefa? 154 Samy mampientana azy ka tsy misy iray tsaroany 155 Ho mamabo azy mihoatra. Ts'isy azony fidina 156 Ka haborany amin'iza ity fitiavany mangina?. 157 .... 158 Lasa loatra ny eritreriny, lasa loatra ny vinaniny 159 'Nay iny volana iny hanatona azy ety an-taniny. 160 Zavavy soa mangatsohatso... 'Nay ho tokana hoatr'iny 161 Tsy hanahirana ny fony ny homeny ny fitiany!. 162 Kinanjo vetivety eo, nofy sa tena marina? 163 Moa nidina ny volana? Fotsy toy ny ampakarina 164 Indro manoloana azy " bika sy endrika malalany " ! 165 Jambena izy, eny, safotra... nihovitra ny fo adalany! 166 Dia indreo nifampitopy maso roa manganohano, 167 Mamirapiratra fitia, toy ny dobon-doharano... 168 Toy ny nofy: io Rahery fa nandray moramora 169 Ka namihina torovana'reo sandry roa bakora... 170 Dia nibanjina... nibanjina... Nanjenitra Razazavavy 171 Fararanom-pahanginana. Indro ts'isy teny avy. 172 Ny fanahy no miresaka... Inoana ny ifankahazoany ! 173 Tafandohalika Rahery fa navesatra ny fony!... 174 Be loatra ny hasambarany... Mamy koa raha mamy 175 Tsy mbola nisy tamin'ny fiainany fifaliana hoatra izany... 176 Moa ny volana no nidina hanambitamby azy ety? 177 Sa izy no nanidina fa nentanin'ny Fitia? 178 Tsy tsaroany n'aiza n'aiza no nisy azy tamin'izany. 179 Olombelona izy va sa afaka amin'ny tany? 180 Nangoraka izy dia nivaha ireo sandriny nangia... 181 Niaraka amin'izay nanidina ilay zavavin'ny Fitia! 182 Nielatra ny akanjo fotsiny mangatsohatso tara-bolana. 183 Badenina Razazalahy... . . ankona tsy nahavolana. 184 Indro izao Raherilanto amin'ny fo, fanahy sy sainy 185 Fa mibanjina'lay tokana izay niloka holalainy... 186 Tokana tsy mbola fantany amin'izy roa vavy, 187 Nefa hitany fa tia ka ninoany foana ho avy 188 Amin'ny toerana nihaonany iny omaly hariva iny... 189 Nohamasininy am-boady tokoa ny fitiany! 190 Koa satria noheveriny ho zava-dehibe izany 191 Dia notanany ny daty hotsarovany hatrany... 192 Daty iray amin'ny fiainany, mitari-dalana ny anjarany 193 Ary daty niposahan'ny masoandrom-pahasambarany. 194 .... 195 Naka saina koa izy ka nihevitra ny hatao: 196 " Aoka ho mendrika, hoy izy,'zay kasaiko hatramin' izao ". 197 Nifohafoha ny eritreriny dia injao tsaroany koa 198 F'isaky ny fandalovany, indray miseho izy roa ... 199 Sao dia miara-tia àry, hoy ny ahiahin-tsainy 200 Ka hitarika korontana amin'ity fitia lalainy... 201 Raha izany dia tsy tsara ny handalovany intsony. 202 Efa hita sady tapaka ny lalana homban'ny fony 203 Ka handiso fanantenana ny ankiray foana izany; 204 Dia nanapa-kevitra izy fa ny takariva ihany 205 Ao anatin'ny sale no iandrasany'lay tiany. 206 Moa va re dia tsy ho to araka ny faniriany? 207 Ny fihaonana omaly, dia tena maotina, madio 208 Tsy hanan-tahotra'lay tiany fa ho avy koa anio! 209 Moa va tsy iombonany izato hetaheta am-po 210 Sy faniriana am-panahy ka ny faniriany ho to? 211 .... 212 Tsy nandalo teo Rahery ny tontolo andro iny... 213 Rahanta koa dia tsy namboraka ny takarivan'ny fitiany 214 Ho fantatr'i Rambolatiana. Hokoboniny mangina 215 Hitohy tsy fantatr'iza izany na oviana na oviana. 216 Mitandrin-toetra fatratra izy tsy haneho ny toe-pony 217 Dia nivonona tokoa tsy hanindroa ny omaly intsony. 218 Namorona lahasa foana no nataony hanary dia 219 Ny fo, fanahiny sy sainy ianjadian'ny fitia... 220 Aviliny amin-java-maro ny eritreriny ho variana 221 Tsy hiangona hifantoka amin'ila' y tarehy tiany! 222 Mivavaka izy hampiala ny ahiahy anatiny ao, 223 Ho tongany aiza ka hatraiza izao kirim-pony izao? 224 Moa va handresy fa hery lehibe inoany 225 Hanohana azy hatrany hatrany ny voninahiny tandroany! 226 .... 227 Mbola nofinofy fotsiny, eny, am-betsovetso ihany 228 No anakaran'i Rambola izany hoe fitia izany. 229 Tsy mbola tsapany mivaingana fa manjavozavo ao, 230 Inoany anefa fa miteraka fiainana hafa, vaovao. 231 Tantara, hira, poezy maneho fitia no tsaroany 232 Mamohafoha ny fisainany sy fanahiny sy fony... 233 Andaniany eritreritra izay mba takatakany aminy! 234 Mahaliana azy ery ny hahatsapa ny hamaminy... 235 Fa mamy, hono, izy izany, loharanom-pifaliana 236 Ary foto-pahasambarana rehefa tojo fitahiana, 237 Ilain'ny fo sy fanahy toy ny rano velona aminy! 238 Fahazavan'ny eritreritra, voninkazony ka maminy! 239 Amin'ny toa izany izy no mitranga amin'ny fiainany 240 Ny endrika mirindra indrindra amin'ny vetso amam-pisainany. 241 Hatramin'izao ny tarehy nandalo azy rehetra rehetra 242 Tsy namohafoha azy fa nandalo tsy nitoetra... 243 Niseho Riana na Rahery araky ny fantatsika 244 Dia inay ilay nofinofy fa namelana baliaka 245 Ka nameno hazavana ny fanahiny sy fony: 246 Moa tsy voninkazo anaty ny fitiavana mamony! 247 Ihiran-dRambola ny fitiavany ny zava-boahary rehetra izao, 248 Ahitany fifaliana sy hazavana vaovao! 249 .... 250 Tsy nandalo teo androany Raherilanto, asa lahy! 251 Nangaihay ery Rambola, valabalaka am-panahy 252 Moa tsy zavatra nataony ho tena antom-pifaliana 253 Ny fahitana ny andalovan'ilay notiaviny mangina? 254 Diso izany izy androany ka tsaroany dia tsaroany 255 Ho banga taminy ny andro, nangentangentana ny fony... 256 Ka vao mainka koa ny embona mpahazo azy nihanahery, 257 Ny diavolana tsy andriny sao mba mahaverivery... 258 Alin-kely hatrany an-danitra mihamazava hatrany hatrany 259 Rambola irery no indro hitsinjo ny hiposahan'ny volana any. 260 Efa maizin-takariva. Tsy hitany fa ts'izy irery 261 No ao anatin'ny sale... Misy hafa koa miery 262 Ao anatin'ny lobolobon'ny garana midoroboka 263 Ary efa niandry teo amim-po midobodoboka. 264 Tsy iza io fa Rahery... (Nony reny nisy avy 265 Dia niafina izy aloha)... Niditra Razazavavy 266 Dia nitehina variana tamin'ny fefin'ny sale 267 Ary toa mametsovetso sy lasam-borona endrey!... 268 ..... 269 Tonga aloha Raherilanto fa tsy tahaka ny omaly 270 Satria nentanim-po maika, sady dodona no faly... 271 Dia nipoitra moramora ny volana; ary tamin'izany 272 Inao feo mihirahira manonona ny teny mamy. 273 Ankona Rambolatiana, tsy nahahetsika intsony, 274 Nientanentana indray ny fanahiny sy fony... 275 Hoy'ilay tonom-peo fantany mandrotsirotsy toa mozika 276 Miaraka amin'ny fisandratry ny volana baliaka; 277 278 " Nde hiaraka hijery ny volana hipoitra any 279 Amin'ny ora mahafeno alahelo ny éto an-tany; 280 Raha mitovy fo amiko ianao, ry zanak'olona, 281 Ndeha isika hiara-hitsinjo ny fiposaky ny volana! 282 283 " Mangamanga volon-tsetroka izao ny habakabatsika. 284 Raha toa mitovy volo tokoa ny nofinofintsika, 285 Dia hiaraka hianoka amin'ny taratra voalohany: 286 Zazavavy soa loatra ny volana amin'ny volon-dohany! 287 288 " Mba jereo ny farihy itarafany mangina. 289 Moa mientana ianao, ory sa am-pifaliana 290 Eo am-pijerena izany? Tiako ho fantatra tokoa! 291 292 " Izaho kosa dia mivetso endrika efa nolalaiko. 293 Volana ao anaty rano! Moa ny endrikao, ry Aiko, 294 Tsy mitaratra ao am-poko toy ny volana eroa " ? 295 .... 296 " Fa fitiavako ianao, fifaliako, fahasambarako, 297 Vahatr'aina, tanjon-tokana, eny tokana ifaharako... 298 Ametrahako ny androko, ny fo, fanahy sy fisainako, 299 Aminao no miantomboka ka mifarana ny fiainako! 300 301 " Fa fitiavako ianao, ... eritreritro, fanahiko; 302 Tsy hisaraka amiko, eny, n'aiza n'aiza tany hitsahiko, 303 Tompon'ny safidim-poko, manapaka ny momba ahy, 304 Anjely hiambina ahy hatrany raha izaho alaim-panahy: 305 306 " Fa fitiavako ianao, eny tena fitiavako, 307 Hira ao am-poko izany ka nasandratro eo am-bavako, 308 Hira mamiko indrindra, ô ka hirako hatrany! 309 310 " Fa fitiavako ianao, e fitiavako madio, 311 Hoy ny teny fivoadiana atolotro anao anio: 312 Ho fitiavako ianao, mandra-podiko ho tany...". 313 .... 314 Io tolakandro io Rahanta, raha teo an-jaridaina, 315 Namboamboatra voninkazo dia mba lasalasa saina 316 Asa asa fotsiny eo izay namohafoha ny fony, 317 Tsy nataony hotsahivina nefa indro lahy tsaroany 318 F'iray volana androtr'io iny diavolana iny! 319 Tafafoha indray ka nihovitra tao anaty ny fitiany! 320 Ataony ahoana!... Ataony ahoana ny vetsovetso miolomay? 321 Indro izy fa nisokitra amin'ny vodihazo iray 322 Ny daty vao tsaroany eo ary mbola hotsaroany... 323 Daty nampifoha azy tamin'ny torimasom-pony! 324 .... 325 Fararano fenomanana manganohano sady tony... 326 Rahery, Rambola indreo mampianoka ny fony 327 Eo am-bodihazo iray... Efa misy azy ery! 328 Sambatra tokoa manko, safononoka fitia!... 329 ... 330 Io no tiany fidoroboka amin'ny hazo rehetra eo. 331 ( Teo koa Rahanta irery no variana anikeheo...) 332 Finaritra Rambolatiana maneho fitia tsy hita intsony 333 Tomaratra amin'ny endriny ny hasambarana ao am-pony; 334 Mijery azy ampamiratin'ny fanahim-pifaliana 335 Raherilanto ka finaritra sy sond.riana dia sondriana. 336 Niomanany mialoha ny handronjina am-panahy 337 Sy am-po'ty olon-tiany hifohafoha ka hahatsiahy 338 Ny datin'andro izay nihaonany voalohany hoatr'izao... 339 Androtr'io, hono, izany vao'ray vola-mitatao... 340 Daty efa nohamasininy fa niorenan'ny fitiany, 341 Tiany hajoro ho tadidy dieny fe-ankehitriny. 342 Nataony ity Rambolatiana hahatsiaro, kanjo... asa, 343 Sondriana dia sondriana angaha ka tsy miherika ny lasa... 344 Indro izy fenofeno hampahatsiahy'ty olon-tiana: 345 " Mba tsy hohadinoinao na oviana na oviana 346 Dia sokiriko eto anio sy ao anatin'ny fonao 347 Ny datin'andro nanorenako ny fitiavako aminao... ". 348 Ndeha hisikotra azy manko nefa ankona nahita 349 Fa ny zavatra nokasainy indro zavatra efa vita... 350 Nofihininy Rambola ka tsy gagagaga moa! 351 Nientana izy: " Hay, hoy izy, efa vitanao mialoha " ? 352 Vao mainka gaga koa Rambola noho izy tsy nanao 353 Io sikotra eo io, sady izay tsy mitatao 354 Ho'ray volana tanteraka raha tsy ny ampitso koa 355 Ny nihaonana voalohany nanolorana ny fo... 356 Ary ho porofo aza fa tsaroany tsisy very 357 'Reo teny tamin'izay dia voaveriny tsianjery... 358 Teo dia safotra Rahery nahatakatra avy hatrany. 359 Fanina izy... nihodina aminy ny habakabaka aman-tany 360 Miharihary izao ny marina ka mivaingana ao an-dohany: 361 Tsy Rambola hay akory'lay nihaonany voalohany 362 Ka nataony hanorenana ny fitiavany tokoa 363 Araka ny voady masina nianianany tam-po! 364 Indro velona an-tsainy ny lalan'ny fitia nodiaviny: 365 Rahanta no namoha ny fony ka Rambola ity no tiaviny, 366 Fa tiany izao Rambolatiana, tiany koa raha tiany, 367 Zary anton'ny fiainany ary hany fifaliany... 368 .... 369 Fitiavana efa tsy tanteraka nefa andraindrain-doria? 370 Asa izay filaza izany: hadalana? sanatria! 371 'zaho kosa dia milaza fa fitia tsaroana indrindra 372 ny fitiavana tsy to, tsy mba afaka nirindra... 373 374 Eo an-davarangany eo Rahanta sy Rambolatiana, 375 Vonto izato takariva ka variana dia variana. 376 Harivarivam-pararano manko mbola ahitana taratra 377 Mampifoha ny lohataona, mampahatsiahy ny fahavaratra 378 Nefa koa ahatsinjovana ny manga am-bodilanitra ory 379 Hiavian'ny ririnina tsy ho ela intsony akory. 380 Rahanta sy Rambolatiana indreo mangina fa variana... 381 Mitovy anefa ny eritreriny sy ny vetsony mangina 382 Mitopy itsy volon-danitra, mijery izato tokotan 383 Misimisy ahatsiarovany ny fahatanorany lany... 384 Ny volon'andro tahaka izao manetsiketsika ny fony 385 Hiaina am-panahy ny nofiny, tafatsahatra famony... 386 Tsy nofy akory, diso aho, tena nisy nefa lahy... 387 Tsy niainany ara-nofo, tam-panahy dia tam-panahy. 388 389 Izay mandalo harivariva eo anilan-tranony eo 390 Dia mamelovelo handre " piano " arahim-peo 391 Mikalokalo harivariva Rahanta sy Rambolatiana, 392 Kalon'olon-diso nofy manakoako fahoriana! 393 Zazavavy nanahoana tamin'ny fahatanorany 394 Ireo mpirahavavy ireo no dia tsontsa tahaka izany?... |
Updated on 2024/12/26 |