Full text |
5 Indro indray ianao, ry lanitra,
6 ngalingaly ery fa tony.
7 Satrinay hanentona hanitra
8 'reto kintana mamony!
9 Fa baliaka dia baliaka,
10 mipendrampendrana aok'izany,
11 toa manantsika , sariaka,
12 saingy lavitra ny tany.
13 Ireo e ny voninkazo
14 nofinay ka ho azo,
15 fa dia eny no andrandraina !
16 tsy hanintsana doria!
17 Moa ny masonay tia,
18 raha hahirina hangaina ?
|
|