Examples | Rehefa nipetraka kelikely teo ireo Zanakantitra, dia tsy omby ny tanàna ka nivoaka niatsinanana kely naka vohitra teo Ambohimasina ny sasany; ary ny sasany kosa niakandrefana nankeo Lehilava na Andohamandry. Fatratra mihitsy ny fitombony, ka tamin'ny nandaminan'i Laidama ny vatan-dehilahy ho isan-jato sy isan'arivo hampanaovina fanompoana, dia nahatratra telon-jato ny vatan-dehilahy teo aminy: Ambohimiarina zato iray, Ambohimasina zato iray, ary ny andrefana momba an'Andohamandry na Lehilava, zato iray.
[2.588]
|