|
|
|
|

Entry1  Madagasikara tanindrazanay
Elementary words  2  Madagasikara, tanindrazana
Part of speech  3  name (poem title) [Full list]
Explanations in Malagasy  4  [3.1] Hiran' ny MDRM, 1946. Tonony : Jacques Emma Rahamefy. Feony : Rahamefison
Vocabulary  5  Literature: poems
Author  6  Tonony: Rahamefy Jacques Emma. Feony: Rahamefison
Text  7 
Full text 
8  I
9  Madagasikara tanindrazanay!
10  Tany saro-bidy masina sy soa;
11  Lova soa navelan' ny razanay taloha;
12  Maty ho anao no tena lazanay.

13  II
14  Isika rehetra izao akanga miara-dia
15  Tsy azo tabaina na ravana koa;
16  Ka hitomban-dahy hiasa re satria
17  Io no loharano fototry ny soa.
18  III
19  Malagasy ô, andeha hifankatia;
20  Ho mpirahalahy tena iray tam-po;
21  Ny hifankahala hatao sanatria.
22  Ka iray tokoa ny saina sy ny fo.

23  Isan' andininy
24  Mitsangàna ry tanora !
25  Mitsangàna ka aza manana ahiahy;
26  Izao no andro sady ora,
27  Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy.

Updated on 2024/12/10