Explanations in Malagasy |
4 [1.1] Mangataka zavatr' olona mba hanaovana na hampiasaina vetivety fa haverina rehefa avy eo: Mindrana boky amin' ny namana
Miangavy olona hanao raharahan' ny tena: Nindrana ahy izy mba handatsaka ny zanany.
Mindram-pangady lohataona ka maniraka ny tompony hiasa: ny findraman-javatra amin' ny fotoana fampiasan' ny olona azy dia tahaka ny manome hevitra ny tompony hampiasa azy na dia tsy nivonona ny amin' izany aza izy
Ibaikamo mindram-pangady, ka "ara mahita ante aho": ilazana olona tsy te hiasa ka mirary ny tsy hahitany angady hiasany, na olona manao alasafay fotsiny ka toa voatery hanao zavatra nefa tsy araka ny fony akory
|