|
|
|
|

Entry (1/2)1  mpanjono
Root  2  jono
Part of speech  3  noun
Explanations in Malagasy  4  [1.1] Olona manao ho antom-pivelomana ny fakana hazandrano
Explanations in English  5  [1.7] a fisherman (with hook and line)
Explanations in French  6  [1.8] pêcheurà la ligne
Examples  7  [2.508]
8  [2.442]
9  [2.499]
Titles  10  Mpanjono (Rajaobelison Samuël)
Proverbs  11  Proverbs containing the word mpanjono

Entry (2/2)12  Mpanjono
Elementary words  13  mpanjono
Part of speech  14  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  15  Literature: poems
Author  16  Rajaobelison Samuël
Full text 
17  Ery amoron-kelodrano.
18  io tazano ilay mpanjono.
19  Fintan-telo indray mamahatra
20  no milahatra
21  anoloany.
22  Elo manga miofon'andro
23  ambony loha;
24  alokaloka mandeha
25  zary loko manaratsy
26  iretsy rahavavy anila:
27  maitso, vony, mena, fotsy,
28  eny ho eny mampihaingo.
29  Haron-kely mihorom-bava,
30  feno vatsy,
31  sy tavoahangin-dranovola,
32  mifanondana etsy ivoho.
33  Hendratra izy ka nisintona,
34  nefa indrisy! efa lany izany jono!
35  Dia hirintona
36  hiala? Sanatria,
37  Miempo ho'aho ny tambaviny,
38  ka tsy an-kiato
39  ny fifiokan' ireo tady
40  feno kankana farango.
41  Injany mamango.
42  Dia mampakatra; nefa trondro sarim-pirina
43  no indry mipelapelaka
44  toa pitipiti-bolafotsy.
45  Kely loatra, hatao ahoana?
46  'Ndao hatsipy mba hiverina.
47  Kilalao mamono andro,
48  ontam-po mampihomehy,
49  piti-drano an-tarehy!
50  Kanto, hono!
51  Raha izaho no tsy mahazo
52  dia hariako mbamim-pintana.
53  Saingy izy hafa loatra!
54  Trondro, trondro, trondro ihany
55  no tsy afaka ao an-tsainy.
56  Dia manainga vao maraina,
57  velon-tsioka, velom-bolo,
58  hanadino ilay tontolo
59  sy korontany tsy lany.
60  Hiresaka
61  amim-boahary sy ny lokony;
62  hikirozaroza tongotra
63  ery amoron-kelodrano.

Anagrams  64 

Updated on 2025/01/21