|
|
|
|

Entry1  Ny herin' ny Fahatsiarovana
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4  Rajemisa-Raolison Régis
Full text 
5  Indrisy! nahoana, hono, lahy!
6  Matetika raha eto an-tany,
7  Tsy mety ny fo sy fanahy
8  Fa miherika ny andro efa lany,
9  Ka zavatra sendra voatsiahy,
10  Miserana fotsiny ihany,
11  Miteraka sento tsy nahy,
12  Indraika aza mampitomany?

13  Indrisy! nahoana, hono, mantsy
14  Ny andro mihelina itony,
15  Mitondra ny soa sy ny ratsy,
16  Tsy lasa dia tsy hita intsony
17  Fa mbola mazàna mihantsy
18  Ny olona hitondra lonjony,
19  Mametaka tombokavatsy
20  Tsy maty ao anatin' ny fony?
21  Indrisy! nahoana, hono, manko
22  Ny omaly tsy lasa dia miery,
23  Fa mbola mimpody malako
24  Toa maso mangala-pijery,
25  Toa feo averin' ny ako,
26  Miverina tsy misy very
27  Ka lasa vao manakotsako
28  Toa embona entina irery?

29  Indrisy! nahoana? - Satria,
30  Satria ny olon-drehetra
31  Natao ho faly doria,
32  Kanefa natao misy fetra:
33  Ny fony natao te-ho tia
34  Kanefa arahin' ny tsetra;
35  Ny Omaly sy Anio miara-dia,
36  Ny Omaly no mahery setra!

Updated on 2024/12/10