|
|
|
|

Entry1  Ririnina ny andro
Elementary words  2  ririnina, andro
Part of speech  3  name (short story title)
Vocabulary  4  Literature: short story
Author 
Text  5  Lasa ny fahavaratra. Tany hafa sy fo hafa no irotsahany ankehitriny. Eo am-pitsinjovana an' iny tonon-taona1 anankiray iny, inona no tonga ao an-tsaina?

6  Ny sarin' ny fiainana, ny sarin' ny adin' ny fiainana. Ny maraina fanantenana, ny antoandro ahiahy, ny hariva ranomaso. Nony ampitso, dia tonga indray ny maraina. Dia toy izany hatrany hatrany.

7  Fa ankehitriny, indro tonga ny ririnina. Inona kosa re no sary asehon' ity tonon-taona ity? Jereo ny rahon' ny habakabaka fa mbola mety manopy manja ihany; toa endriky ny fahavaratra tsy mbola tapitra; ny erika koa indreny mifafifafy mahavonto, toa sarin' ny oram-pahavaratra nohanifisina; ny rivotra koa injany mifofofofo, ka na tsy mitondra ireo oram-baventy aza, dia mivimbim-panala mahangoly.

8  Raha izany no zohina an' eritreritra, ka ampiana an' izato fisovoky ny ririnina miandalana, izay samy hafa dia samy hafa lavitra amin' ny fahatampoky ny fiavian' ny fizaran-taona namany, dia tsy inona fa fahavaratra kely, fahavaratra farany, fahavaratra antitra ny ririnina. Ary tahaka ny "fiafarana" sy ny "fahanterana " rehetra, dia andron' ny fahanginana sy fieritreretana.

9  Dia indro fa toa feno fahanginana sy fieremam-panahy ny fanirian' ny endro ririnina.

10  Mitambatra ireny ka manjary oriory ny fo, mitambolina ny alahelo.


Updated on 2024/12/09