|
|
|
|

Entry (1/2)1  ririnina
Part of speech  2  noun
Derivatives 
3  Active verbs :
4  Names :
Vocabulary  5  Time
6  Geography: (in general)
Explanations in Malagasy  7  Fizaran-taona mangatsiaka, manarakaraka ny fararano, izay iririsan' ny fanala ny ravin-kazo ka mahatonga azy hihintsana: rakodrahona matetika ny lanitra ary mifafy ny erika arahindrivotra mamirifiry avy atsimo atsinanana; hatramin' ny volana jiona ka hatramin' ny aogositra no aharetan' ny ririnina. (Ny ririnina dia antsoina koa hoe: main-tany) [1.1]
Explanations in English  8  winter, the cold and dry season [1.7]
Explanations in French  9  l'hiver, la saison froide et sèche [1.8]
Examples  10  natahorana hosovoka vao maraina ny hatsiaka noho ny fiandohan' ny ririnina. [2.470]
11  Ny ririnina nanaraka iny fahavoazana niraisana iny mantsy, nanorina trano biriky ngezabe ry zareo. [2.472]
Morphology 
12  Simple :
13  Prefixed :
Synonyms  14  main-tany
Compound words 
Phytonyms 
Titles 
Proverbs  21  Proverbs containing the word ririnina

Entry (2/2)22  Ririnina
Elementary words  23  ririnina
Part of speech  24  name (poem title)
Vocabulary  25  Literature: poems
Author  26  Andrianjatovo Haëckel
Tables and plates  27  Full list
Text  28  Nankaiza ny tsiky, ny lanitra manga
No be sorisory sy maloka lava?
Somparan'ny rahona ka tsy mitranga
Ny fara-masoandro natao hanazava

Nankaiza ny ravina, elon'ny hazo
Ny vony mivelatra, radon'ny saha?
Finaokan'ny rivotra fa efa malazo
Tsy ho hitan'ny mason'ny tia zahazaha

Mangina ny feo mikotaba ao an'ony
Fitopa malefaka sy eri-mitaika
No reko mahalana, tony dia tony
Nankaiza ny riana mahery fiantraika?

Ny tampon-tanety nahoana no ngazana?
Ny tendron-kavoana no mangadihady?
Mahaiza mandinika rehefa mitazana
Ny fotoa-mamanala efa tonga sahady

Izany ka izany no tsy andrenesana
Ny vazon'ny vorona zatra mihira
Matahotra hatsiaka sy fahafatesana
Ka lasa mihataka arý an-dakira

Izany ka izany no tsy ahitana
Aina marisika, vonon-kiasa
Ny andro kanefa dia mbola hafana
Ny hatsiakan-dririnina koa ho lasa

Anagrams  29  Ririnina, ririnina, Ririnina, ririnina

Updated on 2023/08/12