Entry | 1 sempotra |
Part of speech | 2 noun |
Explanations in Malagasy |
3 [1.1] Tsy afa-miaina noho ny hafanana be loatra: Sempotry ny hafanana aho izany Tsy avy miaina noho ny tsy fisian' ny rivotra na ny fibosesiky ny rivotra be loatra, misanehaka noho ny hazakazaka: Nihazakazaka aho ka sempotra ~ Rehefa mandeha ny aotomobilina ka mivoha ny varavarana, mila ho sempotra ny zazakely ~ Sokafy aho fa sempotra Be raharaha na ahiahy na alahelo ka toa tsy afa-miaina noho ny fahasahiranana: Sempotry ny volan' olona Rakoto ~ Mbola sempotry ny fanadinana aho ka tsy afa-manoratra |
Explanations in French |
4 [1.3] Essoufflé, haletant, étouffé, suffoqué: Nihazakazaka aho ka sempotra (J'ai couru et je suis tout essoufflé) ~ Sempotry ny hafanana aho (Je suis étouffé par la chaleur) Figuré: accablé d'embarras, de tristesse, vivement impressioné: Sempotry ny volan' olona aho (Je suis dans le plus grand embarras à cause de mes dettes) ~ Sempotry ny alahelo izy (Il est accablé de tristesse) |
Examples |
5 sempotra dia sempotra izy, toa nenjehin'inona. [2.324] 6 Nitombo be ny kohaka sy ny hafanan' I Solo iny alina iny, sempotra be ny fiainany. [2.472] |
Derivatives |
|
Analogs | 12 ana, tsy avy miaina, mikoika, mihehaka, misanehaka, misefosefo, misohika, any am-bolon-tsofina ny aina, mitranga ny lela |
Anagrams | 13 |
Updated on 2025/01/21 |