|
|
|
|

Entry1  Tsy embona
Elementary words  2  tsy, embona
Part of speech  3  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  4  Literature: poems
Author  5  Rabearivelo Jean-Joseph
Full text 
6  Tsy mba zavatra vao,
7  Fa tena fahita hatramin'ny ela
8  Ny tahaka izao:
9  Raha ritra ny rano, ny sisa tavela
10  Dia fotaka monja -
11  Dia fota-mandrevo nalamin'ny onja!

12  Ny hany fitana:
13  Ny onin'ny fiainana. Anefa ka foana.
14  Hany ka ana
15  Ilay fo manantena firavoravoana
16  Hatrany hatrany,
17  Ka heriny sisa, nisotro tomany!

18  Kanefa, hoy aho,
19  Tsy hoe ranomaso voalokon'ny kiry
20  Na ran'ny talaho
21  No tonga nameno impiry, impiry
22  Ilay fo nitadidy-
23  No tonga nameno kapoaka mangidy!

24  Fa hany nandoko,
25  Dia volon-davenona hilaza fa maty
26  Ilay afon'ny foko
27  Nitsilo ny lakana nita tanatin'
28  Ny fahatsiarovana
29  Efa lavo sy lanin'ny fotoam-pahalovana!

30  O! rivotra adala
31  No sendra nandalo nanao tora-javona!
32  Nony efa niala,
33  Tsy afa-nitondra afa-tsy hery sy avona...
34  Ka inona foana
35  No tonga nanairany fanadinoana?

36  Etsetra, etsetra...
37  Dia inty aho tody fitana hafa indray;
38  Ary tsy mba hitsetra
39  Raha sendra miverina ilay fiainana iray
40  Izay lasan'ny taona
41  Nitoeran'ny foko efa nanala saona!

42  Nikoro! Nifono
43  Lavenona manja ny andro fahiny!
44  Mivolon-dronono
45  Ny kaopy nasoloko iny kaopiko iny!
46  Ry fahatsiarovana,
47  Hianao efa lanin'ny fotoam-pahalovana!

48  Tena zavatra vao
49  Sy mbola tsy hita hatramin'ny ela
50  Ny torak'izao:
51  Ny rano efa ritra - tsy nisy tavela,
52  Na fotaka monja!
53  Nankaiza? Nankaiza? - Navalan'ny onja!

Updated on 2024/12/10