|
|
|
|

Entry (1/3)1  embona
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3  [1.1] fahatsiarovana amin' alahelo olona na zavatra (toy ny tanàna na tany) noho ny fitiavana: Anisan' ny fihetseham-po mamelovelo so am-pony embona ny tanindrazana
Explanations in English  4  [1.209] sigh
Explanations in French  5  [1.3] regret
soupir poussé en songeant à une personne ou à un objet chéri, absent ou perdu
Examples  6  Hita mifaritra mazava ny azy ny embona. [2.314]
7  Tsy tana ny embona : " Vitsika momba kitay, hoy Jean Narivony, ka manimanina ny any aminay! [2.356]
8  Izay no voalohany nandehanan' ny sainy tany amin' i Sahondra, dia ohatra ny nisy embona nifangaro hatezerana nibosesika tao am-pony. [2.529]
Vocabulary  9  Emotions
Derivatives 
10  Active verbs :
11  Passive verbs :
12  Relative verbs :
13  Names :
Analogs  14  hanina
Titles  15  Embona (Razafindrafidy Bien-Aimé)
16  Tsy embona (Rabearivelo Jean-Joseph)

Entry (2/3)17  embona
Part of speech  18  noun
Explanations in French  19  [1.19] [Tankarana] flotter
Derivatives 
20  Active verbs :
21  Relative verbs :

Entry (3/3)22  Embona
Elementary words  23  embona
Part of speech  24  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  25  Literature: poems
Author  26  Razafindrafidy Bien-Aimé
Full text 
27  Midona malefaka ery Ankaratra,
28  vaky tsipelana ny eny Anjafy.
29  Midona kanefa tsy fahavaratra,
30  fa erika kely no re mifafy.

31  Lanitra soa, tomarataratra,
32  otronin'ny rahona mitsitoko,
33  kanefa, ry lahy, iry Ankaratra
34  zary manjombona sy manjoko.

35  Ankaratra ô! nahoana kosa,
36  manembona ve ilay nisaraka,
37  ka ny tolokony miavosa
38  eo aminao no te-hiraraka?…

39  Raha manina izy ka mitomany,
40  lalim-pisento fa te-hiverina,
41  asaivo mitony hangina ihany
42  fa toraka izany'lay eto Imerina!

43  Ny sentom-pony raha tonga fatra
44  - ka indro mandrotika ny fanahy -
45  aoka hionona fa ny ratra
46  iombonako aminy lavitra ahy!

47  Tsy oram-baratra no midona, fa
48  fo feno hanina no miteny,
49  ka ny vetsom-panahiny kely foana
50  tsy sasa-mivezika sy manjeny.

51  Eny, ry rahona ery Ankaratra!
52  ry rahona fotsy iaraha-mijery,
53  meteza ianao mba ho fitaratra
54  hampita ny sarin'ilay miery.

55  Vaky tsipelana ve Anjafy
56  ka tsy hidoboka iry Ankaratra?
57  Raha izy misento ka mafimafy,
58  ny foko no toy ny latsaham-baratra!

Anagrams  59 

Updated on 2025/01/21