18 Raha nisoka, natao tsy hiverina;
19 nony maty, natao tsy hiposaka,
20 kanjo io ihany io mitsingerina,
21 fa ny zava-malefa-pitosaka ;
22 fisehoany dia mihelontrelona ,
23 fa mitsidi-mitranga milentika
24 ary impito no maty ka velona
25 fa tsy tena dia lasa mirendrika
26 iry volan-tsinana andrefana
27 mahalala fotoam-piherenana!
28 Samy faly no sady finaritra,
29 ka indreny miainga mirohotra
30 eo an-kianja hikorana maharitra
31 ireo maro kilonga isam-bohitra;
32 fa ny zaza kamboty, manjonitra,
33 mahatsiahy ilay kibo nitoerana
34 sy ny ray nanao sikim-ponitra ,
35 faingy hani-mandalo miserana
36 toraka io volan-tsinana andrefana,
37 tsy mandika fotoam-piherenana.
|
38 Ireo hazo amoron'ny tevana
39 velon-tsento mangina tarafiny,
40 fa ny sainy he! mihevangevana
41 ka maniry azy io hotahafiny...
42 Dia voavetso ny ela nilaozana,
43 ka ny endrika, bika, nananana,
44 no tanian-kimpody , hiaranana
45 toraka io volan-tsinana andrefana
46 tsy mandiso fotoam-piherenana!
|