Entry | Madagasikara tanindrazanay | |
Elementary words | Madagasikara ; tanindrazana | |
Part of speech | name (poem title) | |
Explanations in Malagasy | Hiran' ny MDRM, 1946. Tonony : Jacques Emma Rahamefy. Feony : Rahamefison [3.1] | |
Author | Tonony: Rahamefy Jacques Emma. Feony: Rahamefison, 1946 | |
Vocabulary | Literature: poems | |
Tables and plates | All the titles | |
unkLabel:: |
I Madagasikara tanindrazanay! Tany saro-bidy masina sy soa; Lova soa navelan' ny razanay taloha; Maty ho anao no tena lazanay. II Isika rehetra izao akanga miara-dia Tsy azo tabaina na ravana koa; Ka hitomban-dahy hiasa re satria Io no loharano fototry ny soa. III Malagasy ô, andeha hifankatia; Ho mpirahalahy tena iray tam-po; Ny hifankahala hatao sanatria. Ka iray tokoa ny saina sy ny fo. Isan' andininy Mitsangàna ry tanora ! Mitsangàna ka aza manana ahiahy; Izao no andro sady ora, Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy. | |
Updated on 2023/10/21 |