Full text |
7 Renin-jaza iny mihazakazaka iny, mitrotro zazakely.
8 Marary Ibeby kely, Ibeby tena tiany naman'ny Anjely!
9 Ny tebitebim-pony izany reko izany he mihasohaso
10 Mivavabavaka izy, sady mitomany mitelin-dranomaso.
11 Mitaraina Ibeby anaty lambany ao, mainka koa indreny
12 Mipatraka mijoy fa feno mitatao ny ranomason-dreny.
13 " Tompo, tahio iny renin-jaza iny, sombin'ainy koa;
14 Ny vavaka tononiny anaty fahoriany, henoy, ry Tompo soa!
15 Ianao no nanome ny zaza hifaliana ho kilalaon'ny reny.
16 Ianao no mahavonjy, lanao no iangaviana ra'marary ireny;
17 Tahio ny Dokotera izay halehany any hahita izay hatao,
18 Ianao no mpanazava ny saina ety an-tany k'aza dia mandao " .
19 Nony ampitso anefa, indrisy! fa iny ilay reny tazako nandalo
20 Mitafy sisika ila misaraka aman-teny, mimalo dia mimalo.
21 Ny sandriny ô! indrisy! tsy mitrotro intsony, fa iny eroa aloha
22 Lanjain'ny olon-droa ilay silaky ny fony mandry tsy hifoha.
23 Ry Tompo, Ianao no naka rahefa nanome iny zanak'olona iny!
24 Hankininy aminao ny fahoriany anie mba hisy hitsikiany!
|
|