Entry | 1 reraka |
Part of speech | 2 participle |
Derivatives |
|
Explanations in Malagasy |
7 Tsy manan-kery intsony noho ny hanoanana na havizanana: Hateloana izay tsy nanendry honina aho ka reraka / Mafy loatra ny osa' nataony ka reraka izy 8 Marary mafy: Efa reraka izy ka tsy avelan' ny dokotera iresahana intsony 9 Maty: Tsy salama teny izy roa volana dia reraka 10 Lany harena, sahirana izaitsizy: Reraka Rakoto hatramin' izay nahavoazan' ny rivo-doza ny famboleny izay 11 Ketraka, kivy: Be loatra ny fahoriana nianjady taminy ka tsy mahagaga raha rerakaizy [1.1] |
Explanations in English |
12 tired, exhausted [1.7] |
Explanations in French |
13 Épuisé, affaibli, exténué par la fatigue, la faim, la maladie: Avy any lavitra izy ka reraka (Il vient de loin et il est épuisé de fatigue) ~ Tsy nihinana indroa andro izy ka reraka (Il n’a rien mangé depuis deux jours et il est exténué de faim) 14 qui est gravement malade: Niangonan’ ny havany ny marary, fa reraka (Les parents se sont réunis auprès de lui, parce qu’il est gravement malade) 15 mort: Narary telo volana izy dia reraka (Il est mort après trois mois maladie) 16 trop lâche comme une corde, un habit. 17 qui n’a plus de moyens d’existence, pauvre, ruiné: Reraka izy hatramin’ny nahalaniany ny hareny (Il n’a plus rien depuis qu’il a dépense sa fortune) 18 découragé: Nozoin’ ny loza mafy ka reraka (De grands malheurs sont tombés sur lui et il est découragé) [1.3#527] 19 fatigué, épuisé [1.8] |
Examples |
20 Aza be ahiahy fa rera-doatra anie hianao [2.928] 21 Angaha mety reraka ny tany? [2.117] 22 Handeha izy, nefa tsy ho reraka [2.996] 23 Efa reraka koa moa, ka dia nahita tory teo. [2.4] 24 Farany, nahia kely sy reraka tanteraka izy. [2.472] 25 fa rerak' ity zava-nifandimby nihatra taminy [2.499#87] 26 Ny tenainy moa dia efa reraky ny tazo malagasy rahateo [2.649#181] |
Morphology |
|
Compound words |
|
Anagrams | 33 karera, rarake, reraka |
Updated on 2024/08/12 |