|
|
|
|

Entry1  Tsy hitony tsy akory
Elementary words  2  tsy, mitony, tsy akory
Part of speech  3  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  4  Literature: poems
Author  5  Rabearivelo Jean-Joseph
Full text 
6  Na dia misy olon-tiana
7  Hanakely ny mahory,
8  Sy hitondra hafaliana -
9  Tsy hitony tsy akory !

10  Na dia misy anjely soa
11  Hanafoana sorisory,
12  Sy hamalifaly koa -
13  Tsy hitony tsy akory

14  Na dia manan-kery aza
15  Ny fitia mamorivory,
16  Dia sahiko ny milaza:
17  Tsy hitony tsy akory !
18  Tsy hitony tsy akory
19  Fa diso ny finoana
20  Ry raozy e, esory
21  Ny tsilo manoloana.

22  Tsy hitony tsy akory
23  F' efa diso fanantena !
24  Ny foko avela hatory,
25  Hanadino e, ry sena !

26  Eny indrisy ! tsy hitony
27  Fara hery : manadino.
28  Fa ny tsy ho tia intsony
29  'Zany kosa, aza mino !

Updated on 2024/11/25