Entry (1/2) | 1 fiadanana |
Root | 2 adana |
Part of speech | 3 noun |
Explanations in Malagasy |
4 [1.10#F.458] ankehitriny izy eo amin' ny raharaham-pirenena sy vahoaka dia ampiasain' ny olona hitovy hevitra amin' ny hoe fihavanana na fandriam-pahalemana na ny toetry ny tany sy ny vahoaka mandry feizay : tsy misy fikorontanana na ady ; mizotra milamina tsara ny fiainan' ny vahoaka, satria ny mpitondra dia sady hendry no marina : tsy misy mampahory vahoaka mba hahazoany tombon-tsoa ho an' ny tenany ; izay hahasoa ny ambanilanitra no zava-dehibe imasoany. Ny vahoaka koa, noho izany, dia finaritra, ka mankato an-kafaliana sady tena miara-miasa amin' ny mpitondra. Tamin' ny faha-Andrianampoinimerina indrindra no nampiharihary izany teto : tamin' izay no nisehoan' ny firenenana hoe mandry fahalemana (azo atoriana amim-piadanana na amin' ny alina maizina aza), rahefa voavoriny tsara Imerina Enim-toko. Eo amin' ny fahampian' ny hanina koa no mampiadana ny vahoaka rahefa ny mpitondra no mikarakara azy tanteraka ho an' ny olona, araka ny tenin' Andrianampoina mandrakariva hoe : "Izaho sy ny vary dia iray ihany". |
Explanations in English |
5 [1.2] slowness, composure, tranquility, happiness, prosperity. 6 [1.7] peace, tranquillity |
Explanations in French |
7 [1.3] La lenteur, l'aisance, la prospérité, la paix, la cause de la lenteur, etc. 8 [1.3#2] la lenteur, l'aisance, la prospérité, la paix, la cause de la lenteur, etc. 9 [1.8] paix, tranquillité |
Examples |
10 Hitondra fiadanana ho anao aho. [2.499] 11 Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa [2.996] 12 Mahasambatra ny fiadananam-po (La paix du coeur rend heureux) [1.3#2>Mahasambatra ny fiadananam-po (La paix du coeur rend heureux)] 13 Vao izao no nahazo fiadanana aho (J'ai maintenant obtenu la prospérité) [1.3#2>Vao izao no nahazo fiadanana aho (J'ai maintenant obtenu la prospérité)] |
Vocabulary |
14 Emotions |
Toponyms |
|
Titles | 16 Orimbaton' ny Fiadanana (Andrianjafy Michel) |
Proverbs | 17 Proverbs containing the word fiadanana |
Entry (2/2) | 18 Fiadanana |
Elementary words | 19 fiadanana |
Part of speech | 20 name (toponym) [Full list] |
Vocabulary |
21 Geography: towns |
Anagrams | 22 andafiana, fanadiana, fiadanana, Fiadanana |
Updated on 2023/08/17 |