Alaminy sahala tamin'ny fanaovana ny hosy koa ny fandidiam-bary: tondroin'ny Sojabe ny andro hanaovana ny asa arakaraka ny fatoizam-bary na zavatra manimba ny vary.
7
333
Ny vadin-janaka na tena mirahalahy na mirahavavy avy, no atao hoe: vinanto na rangahy. Saika mandrakariva ny lehilahy antsoina rangahy ary ny vehivavy antsoina vinanto, nefa ny vinanto mety miasa amin'izy roa. Manan-danja sy haja lehibe koa ny vinanto na rangahy eo anatrehan'ny vahoaka Tsimihety.