|
|
|
|

Entry (1/5)1  ho
Part of speech  2  particule [Full list]
Explanations in Malagasy  3  [1.1] Teny kely fametraka eo alohan' ny teny iray hanambarana ny fotoana ho avy, ka io teny ialohany io mety ho:
-- Anarana: Ny ho dokotera no kendreny
-- Mpamaritra anarana: Ho hendry aho amin' ny sisa
-- Mpisolo anarana: Ho izany tokoa!
-- Matoanteny: Ho tonga rahampitso izy / Ho vita ity rahariva (raha matoantenin' ny iharana misy tovana, mitovona ny ho: Hovitaiko ity rahariva)
-- Mpamaritra matoanteny: Ho aiza i Neny? -- Ho any an-tsena aho, anaka
Teny kely fametraka eo alohan' ny an- na ny mpisolo anarana misolo olona fameno (ahy, anao, azy...) ka enti-milaza ny olona voakendry ho tompon-javatra: Ho andRakoto, ho antsika
Teny fanao: a) eo aorian' ny matoanteny toy ny hoe atao, heverina hilazana toe-javatra tsy tahaka ny niheverana azy: Nataoko ho efa lasa ianao; b) eo aorian' ny matoanteny, toy ny hoe manao, mihevitra, mihambo, hilazana toetra tsy ananana: Manao azy ho adala, mihevitena ho mahay; d) eo aorian' ny matoanteny toy ny manova, miova, ovana: Miova ho tsara
Teny fampidirana ny fehezan-kevitra milaza zava-kendrena: Mihinana mba ho velona, fa tsy velona mba hihinana, na firariana: Ho tonga anie i Dada!
Eo anelanelan' ny mpamaritra matoanteny miverina indroa enti-milaza toerana na fotoana tsy voafaritra marina: Aiza ho aiza, eto ho eto, atsy ho atsy
Explanations in English  4  [1.7] sign of the future tense, used before consonants, as
-- tonga, v. arrived; ho tonga, will arrive
-- tapahina, v.pass. to be cut; hotapahina, will be cut
Explanations in French  5  [1.8] marque le futur; se met devant les consonnes; ex.
-- tonga, v. arrivé; ho tonga, arrivera
-- tapahina, v.pass. qu'on coupe; hotapahina, qu'on coupera
Compound words 
Phytonyms 

Entry (2/5)79 
Part of speech  80  preposition [Full list]
Explanations in Malagasy  81  [1.78] [Tanosy] tahaka, sahala

Entry (3/5)82  ho
Part of speech  83  adverb [Full list]
Explanations in Malagasy  84  [1.78] [Tanosy] toa, toy ny, toy izany: hô fary, ny lohany indray botsa
Compound words 

Entry (4/5)91  ho~
Part of speech  92  prefix [Full list]

Entry (5/5)93  Ho    
Part of speech  94  noun (symbol)
Explanations in Malagasy  95  [3.1] Singa mivaingana, faha-67 amin'ny fisokajiana miherina.
Explanations in English  96  [3.1] Holmium.
Vocabulary  97  Chemistry
Tables and plates  98  Periodic Table

Updated on 2024/09/07