Explanations in Malagasy |
8 toerana ilasian'ny tafika
9 toerana anorenana trano vonjimaika hitoeran'ny mpiasa toy ny mpihady volamena, manjarano, mpanao lalana; lasy [1.1]
10 ny Toby (eto) dia toerana ivelan'ny tanana fiandrasam-paty (fiandrasana ny taolam-balo raha amin'ny famadihana) izany hoe izany dia tobin'ny maty (mandra-pandevina azy). Atsangana eo ny trano ratsy, trano tsotra dia tsotra vita tamin'ny rantsana sy ravin'antrendry. Fondra ratsy no anaran'ilay toerana natokan'ny tanana ho fanaovana izany (Fondra: ala, kirihitr'ala, mety ho alan-jozoro sy volotara). Hazava tsaratsara kokoa ny teny hoe Toby raha saintsainintsika ny hevitra samihafa lazain'io tenu io: ohatra amin'ny Merina ny toby dia izay onenana tsy maharitra ela, toy ny trano vonjy maika any an-tanimbary, na any an-tanim-boly. Marihina fa raha amin'ny fiandrasana ny taloam-balo dia tsindraidray tadiavina ny olona no manaraka izany fomba izany ankehitrio, ny hany atao dia ny mametraka ny taolam-balo ivelan'ny trano fa ao anatinny tanana ihany fa tsy entina ivelany loatra. [Tsimihety]
[2.398]
11 toerana ilasiana [1.13]
|